Fiaraha-monina

Amboasary Atsimo : afaka madiodio ny mpaka an-keriny zaza varira

Nomen’ny fitsarana fahafahana madiodio ny mpaka an-keriny zaza varira ary afaka mirenireny sy mandrahona indray ny fianakavian’ilay zaza, amin’izao fotoana, ao Amboasary. Mivarahon­tsana, araka izany, ireo fianakaviana satria anaovan’ireo mpaka an-keriny ireo rahon-teny. Raha tsiahivina, nisy naka an-keriny i Maka Tsitosehy, zazalahikely varira vao herintaona sy valo volana monja, monina […]

Mpianatry ny ENS 826 : horaisina ho mpiasam-panjakana

Nampanantena ny fitondram-panjakana fa horaisina mpiasam-panjakana avokoa ireo mpampianatra manana ny mari-pahaizana Mapen sy Capen nivoaka avy ao amin’ny Ecole Normale Superieur (ENS). Nohamafisin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny alalan’ny naoty izay nivoaka ny alatsinainy lasa teo izany. Araka ny fanazavana nentin’ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ny minisiteran’ny Fana­bea­zam-pirenena, « miankina […]

Any atsimon’ny Nosy: misy fambaran’aretina homamiadan’ ny hoditra avokoa ireo varira

Ambanan’ny aretina homamiadana ny olona manana toe-tena varira any atsimon’ny Nosy. Mijaly izy ireo satria sady tsy manana fahafahana hiaro tena amin’ny aretina no iharan’ny fakana an-keriny. Manohy ny fitetezam-paritra any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny mpitarika ny fikambanana varira eto Mada­gasikara izay tarihin’ny filohany Soja Fulgence. Tsikaritra nandritra ny […]

Tsy hofoanana aloha hatreto : hotanterahina ny 20 jona 2023 ny CEPE

Hatao ny talata 20 jona 2023 ny fanadinana CEPE. Ho­tanterahana ny alatsinainy 3 jolay 2023 ka hatramin’ny alakamisy 6 jolay 2023 kosa ny fanadinana BEPC, araka ny didim-panjakana laharana 32731/2022/MEN navoakan’ ny minisiteran’ny Fanabe­azam-pirenena ny 5 desambra lasa teo izay mifehy ny tetiandro hanatanterahana sy fisokafana ary fikatonan’ny fisoratana anarana […]

Fiakaran’ny hafanan’ny tany : manana sehatrasa efatra ny Orange Madagascar

Marihina isaky ny 8 desambra ny Andro maneran-tany momba ny toetr’andro. Olana lehibe sedrain’ny firenena rehetra ny voka-dratsin’ ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ny fiakaran’ny hafanan’ny tany vokatry ny fisi­an’ny entona mangeja hafanana be loatra manimba ny sosona ozona. “Efa manana sampanasa efatra ny orinasam-pifandraisana Orange iadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro indrindra […]