Fiaraha-monina

Toetry ny andro : Hanorana eto afo­voantany, rahampitso

Tsio-drivotra avy Atsinanana, amin’ny ankapobeny, no han­drafitra ny mety ho toetry ny andro, izay tsy marin-toerana any amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy ho an’ny telo andro manaraka. Vinan’ny toetry ny andro rahampitso, ny tolakandro sy ny takariva na ny alina: hanoram-baratra mitsitokotoko any Me­nabe, Melaky, Boeny, Sofia ary […]

Conim – Paramédicaux : Mangataka ny hampiatoana ny fanomezana fahazoan-dalana

Ho famerenana ny hasin’ny asan’ny infirmier eto Madagasikara, nandefa taratasy maro teny anivon’ny tomponandraikitra mahefa ny mpitantana ny Filankevitry ny Holafitra nasionalin’ny infirmiers eto Madagasikara (Conim) hirosoana amin’ny tena fanovana. Taratasy nalefa farany ho an’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny 27 desambra lasa teo, ny momba […]

Mpamaky trano : Naiditra am-ponja ry Tagogo

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, afakomaly, i Tagogo sy ny namany. Jiolahy malaza ratsy amin’ny vaky trano ry zalahy ireto. Na­nomboka ny 15 desambra 2024 teo ny fisamborana nataon’ny zandary. Niainga tamin’ny fahatrarana jiolahy mpamaky trano iray fantatra amin’ny anarana hoe i Tagogo teny Ikianja, fokontany Ambohi­dra­zana, Anjeva Gara, ny […]

Noely sy taom-baovao: Nisitraka tolotra ireo zaza nave­lan’ny polisy maty am-perinasa

Ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny fiomanana amin’ny taom-baovao, tsy nanadino ireo zaza kamboty navelan’ny polisy maty am-perinasa, izay ivelan’ ny ankanin’ny polisim-pirenena, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny talata lasa teo. Notolorana vary sy kilalao ary kojakoja ilaina andavanandro avy izy ireo, izay natao tetsy amin’ny Hôtel de […]

Vaninandron’ny fety: Mamely ny fivalanana sy ny aretina vokatry ny fimamoana

Aretina mateti-piseho amin’ izao fety izao ny aretin-kibo azo avy amin’ny sakafo. «Mivalana sy mandoa ny ankamaroan’ny olona voan’izany ary betsaka voa ny ankizy», hoy ny mpi­tsabo, Dr Rakotonindriana Norbert. Miova amin’ny mahazatra ny sakafo rehefa fety ka tampohiny ny vavony sy ny tsinay, antony mahatonga izany. Ankoatra izay, mety […]