Fiaraha-monina

Tohana avy amin’ny Japone : mitentina 141 038 Euros ny fanatsarana ny Lisea iray sy Epp

Nahatanteraka soniam-piaraha-miasa roa ny masoivohon’ ny japone, omaly, tetsy Ana­la­mahitsy. Nanao izany, ny Amba­­sadin’i Japon miasa eto Mada­ga­sikara, ABE Koji sy ireo mpitantana ny sekoly avy amin’ ny Lisea Vinaninkarena Antsi­rabe sy ny Epp Andohatape­naka. Ahafahana manangana trano vaovao ho an’ny lisea Vinanin­ka­rena sy hanitarana sy hanarenana ny sekoly ho […]

Fanilon’i Madagasikara: manatanteraka ny lasy “Tao II” ireo filoha

Manatontosa lasy “Tao faharoa” antsoina hoe: “Maha­tsan­gy”, eny amin’ny Akamasoa, ny fikambanana Fanilon’i Madagasikara. Nanomboka ny 15 hatramin’ny 20 Aogositra ho avy izao, izany. Mandray anjara mandritra izany ireo filoha 34 mirahavavy avy amin’ny diosezy sivy (Antananarivo, Ambanja, Port-Bergé, Mahajanga, Antsiranana, Fianaran­tsoa, Farafangana,Toliara ary Moramanga). Tanjona ny hamolavola ny filoha […]

Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena-DNEPM: namaritra ny fomba hisorohana ny fivoahan’ny laza adina mialoha

Nodinihina manokana ny anjara andraikitry ny tsirairay momba ny fivoahan’ny laza adina mialoha ny fotoam-panadinana izay mateti-pitranga tato ho ato ka manimba ny lentan’ny fanadinam-panjakana. Tokony hahazo sazy mavesatra ireo voamarina fa nandray anjara tamin’ny famoahana ny laza adina mialoha. Nanambara ireo solontenan’ny “directions nationales” 10 fa ilaina ny manofana ny mpampianatra amin’ireo […]

Bakalorea Antananarivo: tsy mbola tanteraka ny “délibération”

Tsy nisy ny fanaovana ny “délibération” omaly, ho an’ny fanadinana bakalorea, eto Antananarivo satria tsy nahafapo ny fihaonana tamin’ny filohan’ny Oniversite, araka ny tatitry ny solontenan’ny mpitsara ny taratasim-panadinana teny Ankatso. Mitaky ny hanomezana ny karama mialoha izy ireo vao hiroso amin’ny fanohizana ny asa ka miandry izany. Manahy ny […]

Fanararaotana: misy ray aman-dreny manome vahana izany

Manoloana ny ady amin’ny famarinan’olona sy ny fa­nararaotana, nilaza ny Ame­rikani­na tamin’ny tatitra na­taony fa misy ireo iharan’ny fanararaotana ara-nofo no voambaka na voatery hanao izany tsy an-tsitrapo mba hahazoana vola. Eto Madagasikara, misy fotoana ny ray aman-drenin’ireo zaza tsy ampy taona iharan’ny fanararaotana ara-nofo ireo mihitsy no manome alalana ny mpanararaotra hanao ny […]