Fiaraha-monina

Mpianatra tsy afa-panadinana : misy antony avy amin’ny ray aman-dreny

Tsy tokony hadinoin’ny ray aman-dreny fa misy antony avy amin’izy ireo ny tsy fahombiazan’ny zanany amin’ny fianarana. Eo, ohatra, ny fikorontanan-tsain’ny zaza vokatry ny ady lava eo amin’ny dada sy neny. Tsy fanaraha-maso ny fianaran’ny zanany fa variana mitady vola, tsy ampy ny fitaovam-pianarana, tsy manana fotoana hianarana any an-trano […]

Fitantanana ny loza : navondrona ny tanora, ny fiarahamonina sivily

Nisy hetsika fanatanjahantena sy kolontsaina ary ara-piarahamonina natao hampivondronana ny tanora sy ny firaisamonim-pirenena. Misy fikambanam-behivavy maro isan-tsokajiny. Nampiana fanentanana hifanomezana tanana sy hampandraisana anjara ny tsirairay amin’ny andraikitra eny ifotony mikasika ny fiarenana taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy tamin’ny taom-pahavaratra 2021 ka hatramin’ny 2023 ny hetsika rehetra. Tanjon’ny fikarakarana ny […]

Ankizy sambany hiditra an-tsekoly : “Mila fanomanana ara-tsaina mialoha”

Miantoka ny fahombiazan’ny taom-pianarana ampian’ny fitiavan’ny ray aman-dreny ny vaninandro fidirana. Mitondra torohevitra ny mpanolotsaina pedagojika. “Mila fanomanana ara-tsaina ny fidiran’ny mpianatra sam­bany handia sekoly”, hoy ny mpanolotsaina pedagojika sady “psychothérapeute”, Rasoanindrina Marguerite, omaly. 6 taona no tokony hiditra hianatra ny zaza fa fanazarana sy famohazana ny vavahadintsaina ny alohan’izay. […]

Asief – Toamasina : mikorontana ny fifamoivoizana

Mikorontana tanteraka ny fifamoivoizana eto an-drenivohitr’i Toamasina, ateraky ny fitomboan’ny olona sy fiara noho ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana (Asief). Tsy tambo isaina ny lozam-pifamoivoizana raha tsy hilaza afa-tsy ny bajaj nandona polisy nitondra moto tetsy amin’ny “rond point” Morafeno, ny alin’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 7 ora […]

MDN : nankahery ny mpilalao tenisy

Tonga nankahery ireo atleta malagasy handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy 2023 hatao eto amintsika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kly Ndriamihaja Andrianatrehina Livah ary ny minisitry ny Asa tanana sy ny haitao, Ratsiraka Sophie. Ireto minisitra ireto no mpiahy […]