Hahazo vahana ny oram-pahavaratra manerana ny Nosy, amin’ity herinandro ity. Mety hanantombo kokoa izany ho an’ny tapany atsimon’ny atitany, manomboka anio, ho an’ny tapany atsimon’Analamanga, ny distrika Anosibe an’Ala, Marolambo, Ifanadiana, ny ilany atsinanan’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony. Hisy fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo fitaleavana isam-paritra. Santionany […]
Fiaraha-monina
Tobim-pahasalamana: Azo tsapain-tanana ny fomba fiasa 5S
Manatsara ny fomba fiasa eny amin’ny tobim-pahasalamana ny tari-dalana « Kaizen ». Tanjona ny fanatsarana tsy an-kiato ny kalitaon’ny tolotra fahasalamana sy ny fomba fiasa. Nofanina, araka izany, ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony hanaraka io fomba fiasa fanaovana sivana ny fitaovana sy kirakira eny amin’ny tobim-pahasalamana io. Efa azo tsapain-tanana ny vokatra […]
Oniversiten’i Fianarantsoa : Napetraka ny FabLab
Natomboka tamin’ity herinandro ity ny asan’ny FabLab solidaire Hay Tao ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Fiaraha-miasa amin’ny Orange solidarité Madagascar sy ny Agence universitaire francophone (AUF) izany. Novatsiana fitaovana ilaina rehetra ny mpisitraka ny ivontoerana misy ny FabLab, ahitana kojakoja niomerika hatramin’ny imprimante 3D. Mbola hampiofana ireo liana sy vonona ny […]
Fanadinana bakalorea: Mila hentitra amin’ny fahafenoan’ny antontan-taratasy
Afaka dimy volana ny fanadinana bakalorea. Dieny izao, efa manomboka ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hiatrika izany. Tsy handeferana ny tsy fanajana ny fe-potoana sy ny antontan-taratasy tsy feno. Nampahafantatra ny mi-nisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny amin’ ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fisoratana anarana ho an’ireo […]
INDRAY MIJERY
Tsy hisy fiforonana rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara mandritra ny herinandro fa tombanana hahazo vahana kokoa ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Hanoram-baratra amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy, mandritra ny herinandro. Tombanana ho betsaka kokoa izany ho an’ny afovoantany sy […]





