Fiaraha-monina

Madagasikara-Burundi ary Djibouti: nifampizara traikefa momba ny fanabeazana

Ho fanatsarana ny fanabeazana fototra, nivory niaraka teto Madagasikara, nandritra ny dimy andro ny tomponandraikitry ny fampianarana malagasy sy avy any Burundi ary Djibouti. Telo amin’ireo firenena sahirana 90 tohanan’ny « Partenariat mondial pour l’éducation (PME) » ireo ka hametraka rafi-pampianarana mahomby ahazoan’ny ankizilahy sy vavy misitraka fanabeazana manana kalitao. […]

Orange Solidarité : efitrano sekoly 44 ravan’ny rivodoza nohavaozina

Nohavaozin’ny Orange solidarité Madagascar ny sekoly 10 rava nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, ny taona 2022, tao amin’ny distrikan’i Manakara sy i Mananjary. Vo­katr’izay, afaka manohy fianarana milamina ny mpianatra 4 000 satria afa-miasa indray ireo fotodrafitrasa ireo. An­koatra izay, lasa sekoly niomerika ny efatra amin’ireo 10 nohavaozina, tetikasa iarahana […]

Fako plastika eto Madagasikara: manambana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ny tsy fisian’ny politika fitantanana

Afaka 100 taona no ho mihoatra ny faharavan’ny akora plastika iray nefa 40% amin’ny vokatra plastika ampiasaina indray mandeha dia ariana. Mila manova ny fomba fiaina sy fanjifana ny olona hampihenana ny fako plastika mitondra voka-dratsy samihafa. Mamokatra fako 300 g ka hatramin’ny 400 g isan’andro ny olona iray. Eto […]

Boriborintany faha-VI : nisitraka ny “fahasalamana manakaiky vahoaka”

Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny ekipan’ny departemanta misahana ny Asa sosialy sy ny fahasalamana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Eny amin’ny boriborintany fahenina, ao amin’ny fokontany Ambohi­man­droso, indray ny hetsika, na­nomboka ny talata lasa teo ary hifarana rahampitso. 600 mahery ireo nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana hatramin’ny omaly. Ahitana […]

JNE III : 15 000 ireo ankizy katolika mizaika eto Antananarivo

“Rankizy! Ndao hiara-dia hitory ny vaovao mahafaly ho fanantenan’ny eglizy”. Io no lohahevitry ny Androm-pirenena ho an’ny ankizy (JNE III) katolika andiany fahatelo. Natao omaly, tetsy amin’ny Esca Antanimena, ny sorona masina fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika, miaraka amin’ny fivondronamben’ny Eveka manerana ny Nosy, tarihin’ny arseveka Mgr Rabemahafaly Fulgence. […]