Fiaraha-monina

Tetikasa « Produir » : vita ny 91%-n’ny fotodrafitrasa sosialy

Miantsehatra amin’ny fametrahana ny fotodrafitrasa sosialy ilain’ny mponina eny ifotony ny tetikasa «Produir», miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa vita avokoa ny 91% amin’ireo fotodrafitrasa miisa 206 tokony hatsangana mandritra ny andiany voalohany. Mbola hisy fotodrafitrasa miisa 238 kosa hamboarina mandritra ny tetikasa andiany faharoa. Efa nisitraka ny tetikasa sosialy […]

Nahomby ny tetikasa « Sahaza » : efa mihinana ny vokatry ny famboleny ny tantsaha

Nahomby ny vokatry ny tetikasa andrana amin’ny faritra telo : Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Itasy amin’ny Sehatrasa hanatsarana ny antoka ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafon’ny zaza amam-behivavy (Sahaza). Nanomboka ny taona 2019 ary hifarana ny marsa 2024 ny sahanasa atao iarahan’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana japoney (JICA) manatanteraka. Tetikasa iadiana […]

Seces Antananarivo : misy ny ezaky ny fanjakana saingy tsy ampy

Miandry ny fahafahan’ny fitondram-panjakana mamaly ny fangatahana ny Seces. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny minisiteran’ny Vola sy ny minisitera miahy ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny talata teo. Nihaona koa ny Seces sy ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony, ny zoma teo. Tsapa fa nisy ny ezaka nataon’ ny fanjakana […]

Tily Analamanga Afovoany : homarihina ny andron’ny folara

Hanamarika ny andron’ny folara na fanavaozana ny fanekena ireo Tily, ny talata izao, izay karakarain’ny faritany Tily Analamanga Afovoany tarihin’ny filohany, Ravelomanantsoa Sedera Enikaja. Hivondrona etsy amin’ny Parvis Analakely izy ireo mandritra ny ora iray. Eo no hanavaozana ny fanekena izay hataon’ny mpikambana rehetra. Handeha mivantana amin’ny TVM kosa ny […]

Mpitsirika ny fanorenana tsy ara-dalàna: manana karatra manokana sy tsy mitaky vola

Mila mailo ny mponina eto Antananarivo ka hanamarina tsara ny olona tonga milaza ho mpitsirika avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sady mitaky vola. “Betsaka ny fitarainana fisolokiana voarain’ ny tomponandraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary miha maro izany tato ho ato ka ilana fandraisana andraikitra”, hoy ny talen’ny Tsara tantana […]