Mamirifiry ny andro, maloka sy mandrivotra ary manerika ny maraina vokatry ny tsiokan’ny varatraza matanjaka. Mbola hitohy, anio, io hatsiaka io fa hisava kosa rahampitso ho an’ny eto afovoantany. Raha mangatsiaka ny eto afovoantany, misy orana ny ilany atsinanana rehetra, araka ny fanazavan’ny teknisianina eny amin’ny foibe famantarana ny toetry […]
Fiaraha-monina
Foibem-panadinana Lycée Rabearivelo : mpiadina voafonja dimy miatrika BEPC
«Roa herinandro ny faharetan’ny fitsarana ny kopiam-panadinana ka hoezahina hivoaka aorian’izay ny valim-panadinana BEPC», hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mandray ny ankizy voafonja miatrika ny BEPC, toy ny isan-taona, ny foibem-panadinana Lycée JJ Rabearivelo. «Dimy lahy izy ireo no manala fanadinana amin’ity taona ity ary misy mpiasan’ny fonja manara-maso azy […]
Tetikasa Vision zero funds : arovana ny mpiofana amin’ny toeram-panofanana teknika
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella, ny delegasiona avy amin’ny OIT, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Ampefiloha. Ao anatin’ny fanamafisana ny fampidirana ny fiarovana sy ny fahasalamana eo amin’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa ny tanjon’ny dinidinika. Ny OIT, amin’ny alalan’ny […]
Torohay ara-pahasalamana : 7 tapitrisa ireo nisitraka tombontsoa
Nanofana mpiasan’ny fahasalamana sy mpikirakira torohay avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miisa 1 800 ny tetikasa “Measure Malaria” izay tohanan’ny PMI. Tanjona ny hanangona sy hamakafaka ireo antontanisa sy angon-kevitra hitarihana ny politikam-pahasalamana sy ireo fandaharanasam-pahasalamana ary ireo tolotra ara-pahasalamana. Nandritra ny telo taona ny fanamafisana ny rafitry ny torohay ara-pahasalamana […]
BEPC : mpiadina 47 mila fanomanana noho ny tsy fahatomombanana
Fanadinam-panjakana faharoa no hizotra manomboka anio, manerana ny Nosy. Vonona ny fotodrafitrasa sy ny mpiasa hisahana ny fampandehanana izany. Hanatrika ny fisantarana, eny amin’ny CEG Ampefiloha, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, anio maraina. Manomboka anio ary haharitra hefarana, mpiadina 305 836 no hiatrika ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy izay mitsinjara […]