Fiaraha-monina

Kaominina ambanivohitr’i Maromitety: ahina ny mety hisiana valanaretina maro

Valifaty politika ahi­­na hihitatra ha­tramin’ny maha olo­na sy tsindry ara-tsosialy ka me­ty hitarika fiforonana valanaretina ma­­ro samihafa ny trangan-javatra mi­seho ao amin’ny fokontany maromaro eo anivon’ny kominina  ambanivohitr’ i Maromitety, niatomboka ny 12 desambra lasa teo. Samson na Sonina, zandary misotro ronono ary efa nihazona ny andraikitra lefitry ny ben’ny […]

Nendran-drajako: nahitana tranga roa tany Sierra Léone

Nanambara hamehana ara-pahasalamana, manoloana ny aretina Mpox na nendran-drajako, ny ao Sierre Léone, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tranga roa no voatily ka nohamafisina ny fanaraha-maso ny sisintany ary nahetsika avokoa ny rafitra hifehy ny aretina, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fahasalamana any an-toerana, Austin Demby. Ny 6 janoary lasa teo […]

Jiolahy raindahiny: maty voatifitry ny polisy i Tojohisoa sy i Avilahatsy

Nirefodrefotra ny basy tao Tanambao Verrerie ka hatrany ambadik’i Manangareza ny talata teo, nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny jiolahy sy ny polisin’ny centrale eo ambany fitarihan’ny kaomisera Rakotondrainivonona Panoel Tsiky, tamin’ny alalan’ny UIR ary nampian’ny Fip, tarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Nizara roa miavaka ireo polisy, ny talata teo. Satria, asan-jiolahy […]

Tetikasa VAE-DE: fampiakarana ny fahaiza-manaon’ny talen-tsekoly

Fankatoavana ny fahaiza-manao vokatry ny traikefa ho an’ny talen-tsekolim-panjakana ny tetikasa VAE-DE. La­lana sy fitaovana iray entin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fibeazana, indrindra ny tantsoroka ara-pedagojika amin’ny fanomezan-danja ny asan’ny sekoly izany. Taorian’ny fanofanana ireo mpisehatra sy ny fivahinianana ho fifanakalozana fahaiza-manao tany Frantsa, notanterahina ny […]