Fiaraha-monina

Faritra Atsimo Andrefana: mamelona fianakaviana 1500 ny fambolena lomotra mena ho an’ny toeram-pambolena 44

Foto-pivelomana mivantana ho an’ny olona an-tapitrisany ny jono any amorontsiraka. Vokatry ny tsindry samihafa ataon’ny olombelona  amin’ny fampiasana fitaovana sy fomba tsy manara-penitra, nihena be ny hazandranomasina ary nisy fiantraikany amin’ny fiveloman’ny isan-tokantrano. Ho fanampiana azy ireo ho tonga mpandraharaha an-dranomasina, nisy tetikasa “Nosy Manga” amin’ny alalan’ny fambolena lomotra sy […]

Hoavin’ny ankizy malagasy: hamafisina ny ady amin’ny zava-mahadomelina

Nikarakara adihevitra ho an’ny manampahaizana sy tomponandraikitra ambony maro, ny teo anivon’ny Sos Villages d’enfants, afakomaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Nodinihina nandritra izany ny fomba hatao mikasika ny fihanaky ny zava-mahadomelina eto amin’ny firenena. Tanjona ny hijerena paikady entina hisorohana izany eo am-pijerena ny hoavin’ny ankizy rahampitso. Mitsindrona zava-mahadomelina sahady […]

CEPE 2023: hivoaka mialoha ny 26 jona ny valim-panadinana

“Hoezahina hivoaka mialoha ny fetin’ny fahaleovantena ny valim-panadinana CEPE manerana ny Nosy”, hoy ny tale jeneralin’ny toeram-pampianarana eto Madagasikara, Ranosy Eliane, omaly, teny amin’ny LMA Ampefiloha. Henjana ny asa amin’ny fampidirana ny naotin’ny mpiadina 515 081 amin’ny ordinatera izay nanomboka omaly, teny anivon’ny Cisco 114 manerana ny Nosy. Aorian’ny fampidirana ny […]