Nahomby ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka nimasoan’ny fanjakana tamin’ny taon-dasa. Hitohy izany ary mbola mipetraka hatrany koa ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ny vonjy aina voalohany eny amin’ny tobim-pahasalamana. Nisongadina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa mitentina 24 miliara Ar ny vola entin’ny fanjakana hanohanana ny ara-pahasalamana eto […]
Fiaraha-monina
Ambositra: velaran-tany 10 ha ravan’ny afo
Nisehoana doro tanety tao Ampitsatohana, Andriantsihy, Analambehivavy sy Antanimihetry fokontany Andranovory, kaominina ambanivohitr’Ambositra II, afakomaly maraina. Nidina haingana teny an-toerana namono ny afo nanampy ny fokonolona ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Ambositra niaraka tamin’ny ekipan’ny Sampandraharaham-paritra misahana ny tontolo iainana. Tombanana ho 10 ha ny velaran-tany may, nahitana kininina, […]
Nandritra ny fisafoana: tovolahy iray maty voatifitry ny polisy
Nirefotra indray ny basy tao Tanambao Verrerie Amparangodorao Parisela 21/71, ny talata alina teo. Tsy lavitry ny toeram-pitsaboana iray no nitrangan’izany. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny polisy, tovolahy iray voalaza fa jiolahy saika hamaky trano ity maty voatifitra ity. Nikasa handositra izy ka voatery tsy maintsy nitifitra ny polisy. […]
Andapa: lehilahy nahatrarana basy tsy ara-dalàna
Naterin’ny fokonolona teo anatrehan’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nihazona fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna tao amin’ny fokontany Ambatobe, kaominina Belaoko Lokoho, distrikan’Andapa, ny 6 janoary teo. Anisan’ireo tao amin’ny trano fandihizana iray tao an-toerana io lehilahy io. Hataraina ny an’ireo mponina manodidina nahita io fitaovam-piadiana io teny amin’ity farany. Nampandre ny […]
BIMA: nankalaza ny faha efa-taona nijoroany
Nankalaza ny faha efa-taona nijoroany ny Deuxième bataillon d’infanterie de Marine Antsiranana na ny 2è Bima, ny 6 janoary 2025 teo. Hetsika maro no nentin’izy ireo nanamarihana izany, toy ny hetsika ara-panatanjahantena isan-karazany, ny fizarana loka sy amboara ireo nandrombaka izany ary ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo miaramila eo […]





