Fiaraha-monina

Fanafihana mitam-piadiana lavareny: roa lahy mpianatry ny oniversite maty sy naratra voatifitra

Tsy mety fongana ny asan-jiolahy ao Toamasina. Maty sy naratra voatifitra ny tovolahy roa, mpianatra ao amin’ ny oniversiten’i Barikadimy. Misy milaza fa jiolahy izy ireo. Misy kosa ny manamafy ny mifanohitra amin’izany. Lasibatry ny jiolahy ny tsena iray, mpivarotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro tao Toamasiana, afakomaly. «Ni­sy tovolahy […]

Fiahiana ny maha olona: misy misandoka ny tetikasa “Tsimbina”

Mila mailo ny rehetra satria misy ny mpisoloky manararaotra ny fahasahiranan’ny mponina. Misy mivarotra “puce” fampiasa amin’ny finday izay tsy ara-dalàna amin’ny vidiny 2000 Ar ka milaza fa izay mividy izany “puce“ izany dia hahazo ilay tohana amin’ny tetikasa “Tsimbina”. “Fisolokiana izany”, hoy ny minisitry ny ny Mponina, Razafinjato Aurélie. […]

CHRD Ambalavao: nampiasaina ny Tahirim-pirenena vonjy taitra

Nampiasain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Tahirim-pirenena vonjy taitra (fonds d’urgence) taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny kaominina Iarintsena, hameaux Ambaiboho, Fiana­ran­tsoa, ny faran’ny herinandro teo. Ny tolakandro no nitranga ny loza ka 12 ireo naratra mafy, noraisina maimaimpoana tamin’ny alalan’ny “kit d’urgence” tao amin’ny CHRD Ambalavao. 18 hafa notsaboina teny an-toerana nampiasana ny […]

Takaitran’ny rivodoza Dikeledi: telo maty, 1 702 traboina ao anatin’ny faritra telo

Tsara ny fiomanana ary nanaraka ny toromariky ny BNGRC sy ny mpitantana any an-toerana avokoa ny mponina ka tsy mafy ny fiantraikan’ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi tany avaratra, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC. Telo maty taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Di­ke­ledi an-tanety ny alin’ny sabotsy tamin’ny 7ora sy sasany tao amin’ny kaominina Ampisikinana, […]

Fanafihana tao Ambohiboatavo: telo mianaka maty nozerana vatobe

Nitrangana fanafihana mi­tam-piadiana namoizana ain’ olona tao Ambohiboatavo, kaominina ambanivohitr’ Am­pitatsimo, distrikan’ Ambaton­drazaka, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Vokany, olona telo indray maty. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, mpanampy iray saika hanome sakafom-borona no nahita ilay renim-pianakaviana nitsotra amin’ny tany, nihosin-dra voatsindry vatobe ny lohany. Niantso ny fokonolona […]