Fiaraha-monina

Minisitra Mara Volamiranty Donna: “Hiaro ny voka-pifidianana ny governemanta”

Nitondra ny heviny, manoloana ny toe-draharaham-pirenena, ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitra, Mara Volamiranty Donna. Anisan’ny noresahiny ny momba ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna farany teo. “Ny governemanta iray manontolo no miara-misalahy amin’ny fiarovana ny filaminana mia­loha sy mandritra ary aorian’ ny fifidianana”. Io ny fanehoam-pijerin’ny minisitry ny Serasera sy ny […]

Fahasalamana: kely ny taham-pahaveloman’ny zaza voan’ny tetanosy

Mbola tena misy ny tetanosin’ny zaza vao teraka raha ny fanamarihana nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Sarotra tsaboina izy io ary kely ny taham-pahaveloman’ny zaza raha voany. Azo sorohana tsara amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny mandritra ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana eny anivon’ny tobim-pahasalamana anefa ny tetanosy mahazo ny zaza vao teraka. […]

Marais Masay: esorina ireo tsikafona manentsina ny vavarano

Ao anatin’ny fiatrehana ny taom-pahavaratra, hanadio ny eny amin’ny Bassin tampon sud Marais Masay ny ao amin’ny CUA. Hodiovina ny toerana mirefy 5ha. Tsentsin’ny tsikafona ireo vavarano andehanan’ny rano avy any Andravo­ahangy, Besarety ary Maha­voky. Miteraka fiakaran’ny rano izany, indrindra rehefa avy ny orana. Tonga teny an-toerana ny PDS, Alexandre […]

Hiditra an-tanety anio alina, ilay rivodoza mahery Dikeledi

Mizotra manatona an’i Madagasikara ilay rivodoza mahery Dikeledi. Any amin’ny faritra avaratra no tena hiantefany ka mila miomana amin’izany ny mponina. Mihatra ny filazana loza manambana. Miha manatona tsikelikely ny morontsiraka avaratr’i Mada­ga­sikara ilay rivodoza Dikeledi. Tombanana hiditra an-tanety any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy, eo anelanelan’i Antsiranana sy Sambava […]

Tily – Mandritra ny firotsahana an-tsitrapo: mila mampahafantatra ny tomponandraikitra

Mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika manampy eny anivon’ny fiarahamonina rehefa misy tranga mila vonjy voina na anaovana tanamaro ny skoto. Ahitana azy ireo ny fanampiana rehefa misy traboina vokatry ny rivodoza amin’izao fotoan’ny fahavaratra izao. Maro amin’ireo Tily no mpirotsaka an-tsitrapo amin’ny fanampiana rehefa tonga ireny loza ireny. Antom-pisian’izy ireo rahateo izany. […]