Natao tany farafangana ny fanamarihana ny Andro iadiana amin’ny aretina tazomoka, tamin’ny herinandro teo. Nisongadina tamin’izany fa mahomby ny ezaka satria nihena 25% ny tahan’ny olona voan’izany (1,7 tapitrisa) raha 2,3 tapitrisa teo aloha. Tafiditra ao anatin’ny tatitra isan-taona faha-17 nataon’ ny vinan’ny filoha Amerikanina momba ny ady amin’ny tazomoka […]
Fiaraha-monina
Tafajoro ny Aika : hitondra ny feon’ny tanora amin’ny COP 28
Nampahafantarina teny Ambodivona, omaly, ny fijoroan’ny Aika, ivondronan’ny fikambanana tanora 50 misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina voajanahary an-tanety sy anaty rano ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara. «Samy efa manana drafitrasa mampiavaka azy avy ireo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana fa havondrona ny hery […]
Fampianarana ambony : manamafy ny hampikatso ny fampianarana ny Seces
Hampihatra avy hatrany ny hevitra tapaka nandritra ny filankevi-pirenena ny Seces. Hanangana « Cellule de crise » ihany koa izy handinika ny raharaham-pirenena. Nivory ny sampana Seces Antananarivo, ny talata teo. Manamafy ny fe-potoana tapaka nandritra ny filankevi-pirenena hamalian’ny fitondram-panjakana ny fitakian’ny Seces ireo zo sy hasiny izy ireo hatramin’ny […]
Fitaterana an-tariby : efa am-perinasa ny teleferika amin’ny lalaon’ny Nosy
Miroso ny asa, efa tonga ny “cabine” ho an’ny teleferika, araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra, omaly. Nanome toky izy ireo fa efa am-perinasa ny teleferika amin’ny lalaon’ny Nosy. Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gérard. Niara-dalana taminy ny teknisianina. Nidina ifotony […]
Fahasalamana : nahazo fitaovana fandidiana ny CUA
Nisitraka fitaovana ara-medikaly, na “Petite Chirurgie”, tamin’ny malala-tanana avy any Suisse ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Natolotra ny departemanta misahana ny sosialy sy ny fahasalamana, afakomaly, izany. “Hanampy betsaka amin’ny fitsaboana eny anivon’ny CSBII iandraiketan’ny kaominina ny fitaovana vaovao”, hoy ny talen’ny departemanta eo anivon’ny CUA, Raharinandrasana Hajatiana. Mifanaraka indrindra amin’ny […]