Fiaraha-monina

Noho ny hamafin’ ny fiainana: ny ankizy indray no lasa miantoka ny famelomana ny ankohonana

Lasa ianteheran’ny ray aman-dreny mihitsy ny ankizy amin’ny famelomana amin’izao fotoana. Ampirisihina amin’ny fomba rehetra hitady vola, indrindra ireo fianakaviana tena latsaka an-katerena. Ny ankizy no misy mpitsetra ka mora mahazo vola eny an-dalambe. Efa mivadika ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, amin’izao fotoana, vokatry ny fahasahiranana lalina ka lasa mampanaonao […]

Ady tany: lehilahy iray namoy ny ainy, efatra naratra

Lehilahy maty vokatry ny fi­fampikasihan-tanana nateraky ny ady tany ary efatra naratra tao Kianjamiarina, kaominina Tsinjoarivo, afakomaly. Fi­ana­kaviana roa samihafa ity nitrangana fifanolanana mom­ba ny lova ity. Nanomboka ta­min’ny taona 2022 izy ireo no nifanditra teny anivon’ny fitsarana. Na­hazo rariny ny andaniny sain­gy tsy nanaiky ka na­nen­jana ny ankilany. Nifandri­horiho […]

Noho ny aretina nitaiza azy: lehilahy hita faty nihantona tamin’ny tady

Lehilahy iray hita faty nihantona tao an-tranony, ao Andavadopy, fokontany Ambohipanasina, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrika Ambohidratrimo, omaly tolakandro tamin’ny 1 ora. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany Ambo­hipanasina ny le­hiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria momba ny fisian’ity fatin’olona mihantona amin’ny tady ity. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy […]

Rivodoza: Dikeledy Hiditra any avaratry ny Nosy, rahampitso

Tombanana hiditra an-tanety any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy ilay rivodoza Dikeledi, rahampitso tolakandro na alina, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Heverina ho rivodoza mahery mihitsy izy amin’izay fotoana izay satria hahatratra 130km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy. Mihatra ny filazana loza miloka maitso ho […]

Fiahiana sosialy 2025: mitohy ny fanohanana amin’ireo tetikasa

Nanao tatitry ny asa vita ny minisiteran’ny Mponina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo. Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fiahiana ny maha olona ka anisan’ny minisitera manana andraikitra goavana ity minisitera ity. Manodidina ny 900 000 ireo tokantrano misitraka ny “Tsimbina” ary mbola mitohy ny fizarana izany. Manodidina ny 200 […]