Fiaraha-monina

Ankorondrano : 546 ireo nisitraka fitsaboana

Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky va­ho­aka, karakarain’ny Kao­mi­nina Antananarivo Reni­vo­hi­tra. Nisitraka izany indray ireo mponina avy ao amin’ny fokontany Ankorondrano An­dra­nomahery ao amin’ny boriborintany fahatelo. Nanom­boka ny talata teo ary hifarana rahampitso ny hetsika. Tonga nitsidika izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’An­ta­nanarivo Renivohitra, Andri­an­tsi­to­haina Naina, omaly. Naha­tratra 546 mahery ireo […]

CEPE 2023 : voaaro any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny laza adina

Araka ny fomba fiasa isan-taona, miasa 24 ora amin’ny 24 ora ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mandra-pahatapitry ny fanadinana rehetra. Hanafaingana ny famoahana ny valim-panadinana izany. Efa any amin’ny foiben’ ny polisy na ny zandary avokoa ny laza adina rehetra ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE, hatao ny talata 20 jona ho avy izao, […]

Zava-mahadomelina : Beazina hiaro tena ny tanora

Nanao hetsika hoentina hanabeazana ireo tanora tsy ho tafiditra amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antana­malaza, Ambatolampy, omaly. Natombok’izy ireo tamin’ny mpianatry ny lisea ao an-toerana izany. Nam­pahafantarina ireo tanora ny fisian’ny rongony mahery vaika toy ny “héroine” na ny rôrô. Nitondran’ ny lehiben’ny zana-tobim-paritra ao an-toerana […]

Kiady zokiny-Analamanga : nizara akanjo sy sakafo ho an’ny sahirana

Nanatanteraka asa sosialy teny Fenoarivo ny Kiady zokiny (Kimzo) eto Anala­manga. Ao anatin’ny fankalazana ny faha-90 taonany hatrany amin’ity taona ity ny fikambanana skoto, Kiadin’i Madagasikara. Taorian’ireo hetsika marolafy nataon’ny birao foibe sy ireo fivon­dronana maro isam-paritra, nanamarika izany tamin’ny fanatanterahana asa soa teny amin’ny sekoly tsy miankina Lycée Tahiry […]

Mandritra ny fety : mila mailo amin’ny sakafo

Fotoan’ny hanim-pitoloha ny fetin’ny fahaleovantena ho an’ny tokantrano malagasy. Mikarakara ny karazan-tsakafo ho an’ny ankohonana ao an-trano. Mila mailo anefa amin’ny mety ho fanapoizi­nana ara-tsakafo noho ny an­tony maro. Matetika sakafo na rano nidiran’ny otrikaretina na vokatry ny akora simika no mahatonga ny fanapoizinana ara-tsakafo. Tena saropady ny fanapoizinana ara-tsakafo […]