Fiaraha-monina

Fampianarana teny anglisy : feno 50 taona ny Cnela Antsahabe

Ivontoerana nasionaly mampianatra ny teny anglisy ny Cnela. Manamarika ny faha-50 taona nampianarany izy ireo amin’ity taona ity. Ivontoeram-pampianarana eo ambany fiahian’ny minisite­ran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, ny Cnela, ary manana rantsana any amin’ny faritra. Nanatanteraka loabary an-dasy niompana tamin’ny fandinihana ireo fomba vaovao enti-mampianatra ny teny anglisy ao […]

INDRAY MIJERY

Manampy betsaka ho fiarovana amin’ny aretina mitarazoka tsy mifindra ny fampiasam-batana. Anisan’ izany ny fiakaran’ny tosidra, ny diabeta… Nanatanteraka “randonnée” 8,3km ny mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavana misahana ny ady amin’ny aretina tsy mifindra (DLMNT), anio, ho fanombohan’ ny fanentanana ny tsirairay hampiasa vatana. Mandray anjara amin’ny “Global Leadership Forum 2024” […]

Fokontany Ankazomborona : voinkava-mahatratra ho an’ireo traboina

Tonga nanao voinkava-mahatratra ny mponina any Ankazomborona, kaominina ambanivohitra Andranomavo, distrikan’i Soalala, ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Niharam-boina ny fokontany noho ny haintrano nandrava ny tanàna. Betsaka ny fatiantoka. Trano 400 no kilan’ny afo. Lasa lavenona ny entana sy ny vary rehetra. Tsy manan-kialofana ireo olona 750 amin’izao fotoana. Mitentina […]

Fampianarana : vola 790 lavitrisa Ar hitazomana ireo vehivavy an-tsekoly

Ampirisihina hianatra ny ankizivavy ary hatao izay mahatamana azy sy ho tia fianarana. Hanompanana vola izy ireo mba tsy ialany an-daharana amin’ny fianarana fa hahatozo hatramin’ny farany. Fantatra nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimi­eram­pirenena, ny faran’ny heri­nandro teo, fa vola mitentina 790 lavitrisa Ar no entina hitazonana an-tsekoly ireo zazavavy. […]

Semipi Fianarantsoa : matotra ny fiaraha-miasa amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa

Tontosa ny alakamisy 24 oktobra 2024 teo ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2024-2025 ho an’ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) Beravina Fianaran­tsoa. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, izay nanamafy tamin’ireo mpianatra fa zava-dehibe ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana, ny fahaiza-miaina […]