Fiaraha-monina

Herinandron’ny fizahantany : natomboka tamin’ ny “Cleaning day”

Nosokafana tamin’ny fo­mba ofisialy, omaly, teny amin’ny La Haute ville, ny herinandron’ny fizahantany eto Antananarivo. Nisy, ara­ka izany, ny hetsika «Tourism cleaning day». Nikarakara izany ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ary ny hetsika asa tanamaro nataon’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hanadiovana ireo […]

Fakana an-keriny : mitaky ny fampiharana ny lalàna famaizana ireo olona varira

Mbola miaina anatin’ny tahotra sy ahiahy ireo olona manana toe-tena varira na dia efa nisy aza ny ezaka natao sy ny fihenan’ny taha, raha ny nambaran’izy ireo. Mila ampiharina mafy kokoa ny sazy famaizana ho an’ireo manao ny trangana tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Ny fampiatiana […]

Antsahameva-Ankatso : nanome tolo-tanana vonjimaika ny minisitera

Nangasihasy ireo mpianatra niharam-boina tetsy An­tsahameva-Ankatso satria tsy nisy noraisina intsony ireo fitaovam-pianarana sy ny en­tana tao an-trano vokatry ny hain-trano nitranga ny sabo­tsy teo. Hotohoton’ny afo ny trano nofain’ireo mpianatra. Tsy nijery fotsiny fa tonga teny an-toerana avy hatrany ny iraky ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana […]

Fampianarana teknika : nampitaovanina ny CFP Ejeda

Notanterahina tany Ampa­nihy, ny faran’ny herinandro teo, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny fampitaovana ny foibem-piofanana arak’ asa any Ejeda. Natokana ho an’ireo mpiofana, miisa 67 ny fitaovana tsotra sy ny fitaovana teknika. Hanatsara ny kalitaon’ny fiofanana ny fampitaovana. Ahafahan’ny mpiofana manao fampiharana, izay miantoka ny fahombiazan’izy ireo amin’ny fampianarana. […]

Ambodibonara : faritra mena amin’ny aretina bilariziozy

Nitondra fanazavana ny rasazy Anita, ao amin’ny kaominina Ambodibonara, distrikan’i Mahanoro fa anisan’ny faritra mena amin’ny aretina bilariziozy ny any an-toerana. Manodidina ny 20 isam-bolana ny olona voaporofo. Ma­rary ny efatra amin’ny olona 30 tonga manao fizaham-pahasalamana isan’andro. Tsy tongan’ny rano fisotro madio ny ankamaroan’ny tanàna any Ambodibonara. Mampirongatra ny […]