Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny BNGRC sy ny Ofisy nasionaly misahana ny tontolo iainana (ONE) ary ny Orinasa monisipaly miandraikitra ny fanadiovana (SMA), omaly, teny amin’ny birao foiben’ny BNGRC Antanimora. Tanjona ny hanatsarana ny fizarana angon-drakitra eo amin’izy ireo, hampitomboana ny fifanakalozana vaovao momba ny tontolo iainana, izay tena zava-dehibe […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Rehefa mitondra vohoka ny vehivavy iray, mandritra ny fisafoana voalohany tanterahiny eny amin’ny tobim-pahasalamana, no hanaovana ny vaksiny hiarovana ny zaza vao teraka amin’ny tetanosy. Vaksiny dimy no atao, mielanelana, ary miaro mandritra ny 35 taona. Maimaimpoana ny fisitrahana izany eny amin’ny tobim-pahasalamana. Mety hiteraka fahafatesan’ny zaza vao teraka ny […]
Future for Children Madagascar – Overcome Women Madagascar: Hanohana ny ankizy sy ny zon’ny vehivavy
Fikambanana iraisam-pirenena roa no hiasa eto Madagasikara ho fampivoarana ny lafiny sosialy. Noraisin’ ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, teny amin’ny toeram-piasany, ny mpiandraikitra ny Future for Children Madagascar sy ny Overcome Women Madagascar. Hiara-hiasa ho fikarakarana ny olona marefo ny fikambanana sy ny minisitera. Misehatra manokana […]
Taonan’ny vaksiny ny 2024: Nahomby ny hetsika fanaovam-baksiny enina vita
Raha tombanana ny taona 2024 ho an’ny lafiny sosialy, nibahan-toerana ny fahasalamana, indrindra ny ho an’ny ankizy, tamin’ny hetsika fanaovam-baksiny enina natao hisorohana ny aretina sy ny fahafatesan’ny zaza madinika. “Efa niakatra ho 86% ny tahan’ny zaza vita vaksiny ny volana desambra 2023, raha 36% monja izany taorian’ ny fiparitahan’ny […]
Fitantanana loza: Mpiray ombon’antoka ny sehatra tsy miankina
Sehatrasa tsy manavaka ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ka mitady vahaolana manakaiky ny tena mahomby ny BNGRC. Mampandray anjara ireo sehatra mbola misalasala ary manentana ireo marisarisa ao anatin’izany tontolo manodidina izany koa. Ny Antontan-kevitra mirakitra ny fifanarahana iraisam-pirenena andraisana ny azo tahafina mahakasika ny fampihenana ny tandindon-doza […]





