Fiaraha-monina

Kaominina Ambodibonara: manavotra tokantrano maro ny firoboroboan’ny fikambanana Voamami

Notanterahina tany amin’ny kaominina Ambodibonara, distrikan’i Mahanoro, ny herinandro teo, ny Andron’ny Voamami na Vondron’olona an-toerana miara-manao tahiry sy mifampindram-bola, izay novolavolain’ny USAID Access. Anisan’ny miavaka ny Voamami ao Am­bodibonara satria miroborobo ary efa mipetraka ny fifampitokisana sy ny drafitra amin’ny tahiry sy findramam-bola, hoy ny mpiandraikitra ny Voamami ao […]

Fiahiana ara-tsosialy: hitarina ny famatsiam-bola ho an’ireo vahoaka marefo

Mitohy hatrany ny fandinihana sy fakan-kevitra eo amin’ny mpisehatra maro samihafa hanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy. Tanjon’izy ireo ny hanampiana ireo vahoaka marefo eto amin’ny Nosy mba hahafahany mihary. Nitohy omaly, tetsy amin’ ny Carlton Anosy ny fakan-kevitra handinihana ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara. Niarahan’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny FID […]

Fanatsarana ny toeram-ponenana : nitsidika ireo fotodrafitrasa vita ny ben’ny Tanànan’Antananarivo

Maherin’ny 15 ireo foto­drafitrasa vita tao anatin’ny programan’asa ifarimbonana hanatsarana ny toeram-pone­nana tsizarizary (PIATT), eto Antananarivo. Nisitraka izany, ny fokontany Andavamamba Anatihazo I, Manarintsoa Afo­voany, Manarintsoa Atsinanana ary Manarintsoa Anatihazo. Tonga nitsidika izany ny ben’ ny Tanànan’Antananarivo Re­nivohitra sy ny solombavambahoakan’ny boriborintany voalohany, omaly. Maro ny fotodrafitrasa vita teny anivon’ireo […]

Sampati : hankalaza ny faha-30 taonany

Hankalaza ny faha-30 taona nijoroany ny fikambanana Sampati (mpanazava sy tily) eto Madagasikara, ny 29 jolay ho avy izao. Nisy, araka izany, ny valandresaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foibe FJKM Anala­kely, omaly. Nampahafantarana ny fizotra sy ny hetsika rehetra hatao mandritra izany. “Mizara ny mazava” ny lohahevitry […]