Fiaraha-monina

Fitsinjovana ny mpiasa : hatsaraina ny fiahiana ara-tsosialy

Notanterahina tetsy amin’ ny Carlton Anosy, omaly, ny famaranana ny volan’ny fiahiana ara-tsosialy izay natomboka tamin’ny volana mey lasa teo. Hetsika nokaraka­rain’ny minisiteran’ny Mpo­nina, niarahany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Fotoana nakana ny hevitr’ireo mpisehatra rehetra mikasika ny fiahiana ara-tsosialy. Tan­jona ny hanatsarana ny paikady nasionaliny momba izany eto Madagasikara, raha ny fanazavana. […]

Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena: atrikasa momba ny ady amin’ny kolikoly

Nosokafan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Heritiana tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly, ny atrikasa tanterahin’ny sampana miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny sampandraharaha momba ny raharahan’ny lalàna. Nitarika sy nandrindra izany ny tale misahana ny raharahan’ny lalàna, Razanarivony Mialisoa. Nanatrika ireo adihevitra mifanandrify amin’izany ireo ratsamangaika rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny […]

FJKM Amparibe Famonjena : hotsofin-drano ny mpitandrina Solofonirina

Hotanterahina ny alahady 25 jona ho avy izao, ny fisotroan-drononon’ny mpitandrina Raharijaona Solofonirina mivady, ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. «Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay», I Tesalonianina 2: 20 ny tenin’Andriamanitra amin’izany. Nambaran’i Anja Razafy, anisan’ny komity mpikarakara fa hiavaka ny fotoana, satria tafiditra ao anatin’ny alahadin’ny taranaka sy ny […]

Sekoly mendrika : mpifaninana ny EPP Bekily I

Nikarakara hetsika “Se­koly mendrika” ny tetikasa SCORE. Manaja ny fenitra takin’ny fivoarana misy ankehitriny ny fampianarana tsara kalitao ka miantoka voalohany izany ny fampianarana iandraiketan’ny mpampianatra matihanina. Ny fitantanana mahomby, mampianatra ny mangarahara sy ny tambe­rin’andraikitra amin’ny fitantanana ny tolotry ny fanabeazana fototra. Sekoly manana tontolo mahafinaritra, mandrisika ary mahasalama […]

Loza mitatao: mirongatra VIH/SIDA

Mahazo vahana ny aretina Sida eto Madagasikara. Manana ny taha ambony indrindra maneran-tany isika, izay tafakatra 230%. Ankoatra ny firaisana ara-nofo, mety mampiakatra ny antontanisa ny fitsindromana rôrô amin’ny fitaovana maloto sy ifandimbiasana. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Heri­manana, tao amin’ny Lapan’ Anosikely, tamin’ity herinandro ity, ny talem-paritry ny ONUSIDA misahana […]