Fiaraha-monina

Boky «Ny diako» : mivoy ny zon’ny olona sembana i Fela

Nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe “Débout” na “Ny diako”, Razafinjato Fela, filoha mpanorina ny fikambanana sembana mijoro. Navoakany sy nasehony tamin’ny mpanao gazety tetsy Antanimena, omaly, izany. Tanjona ny hivoizana ny zon’ny olona manana fahasembanana sy hampahafantarana ny olona ny fiainan’izy ireo, ny antony nanoratana ny boky, raha ny […]

Ady amin’ny tazomoka: CSB 30 any Farafangana nanaovana andrana

Nanaovana tombana ny fanitarana ny fandraisana an-tanana ny olona mararin’ny tazomoka any amin’ny distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana, na­taon’ireo mpanentana ara-pahasalamana. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny fahafatesana vokatr’ity aretina ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasam-pirenena momba ny ady amin’ny tazomoka (PNLP) ny hanitatra amin’ny faritra maro ny ady amin’ny tazomoka. Manohana […]

CUA : “Elève encadreur” 7, naseho teo ambany faneva

Notanterahina omaly, te­tsy amin’ny tobin’ny polisy Monisipaly Anosipatrana, ny lanonana famoahana sy fanolorana galona ireo polisy Monisipaly eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tonga nanatrika izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antanana­rivo Renivohitra. 7 mirahalahy ireo élève encadreur , an­diany faharoa, naseho teo ambany faneva, nandritra izany. Niofana teny amin’ny sekolim-pirenena ambony […]

Tetikasa Go Teach : tanora 150 nisitraka ny fiofanana momba ny fandraharahana

Natao omaly, tetsy Ivan­dry, ny famaranana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa fanampiana ny tanora amin’ny fandraharahana, izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Go Teach. Tetikasa iarahan’ny SOS Village d’enfant sy ny orinasa DHL ny fampiofanana ireo tanora. Tanjona ny hampahaleotena arak’asa ny tanora sy hanamorana ny fidirany amin’ny sehatry ny asa, […]

Fisotroan-dronono : mamaha ny olana ny minisitera

Nitafa tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice ireo mpiasan’ny oniversite efa misotro ronono nefa tsy misitraka ny fisotroan-dronono, nanomboka ny taona 2019. Antony nitarika ny olana ny tsy fandoavana ara-potoana ny latsakemboka CRCM (caisse de retraites civiles et militaires) teo anivon’ny oniversite maromaro. […]