Fiaraha-monina

Fampianarana ambony : mahasarika mpiofana ny « cours en ligne »

Fomba iray ampiasaina hampitana fahalalana amin’izao fotoana izao, ho an’ny fampianarana ambony, ny « cours en ligne » mikirakira ny teknolojia vaovao. Ho an’ny olona efa manana anton’asa mbola vonona ny hanitatra fahalalana amin’ny taranja iray manokana no misafidy azy. Mampiasa ny fampianarana « cours en ligne » ny University Reference eny Amoronakona, nanomboka […]

Fanaovam-baksiny : nampiasaina ny paikady rehetra hanatrarana ny taha 95%

Nifarana omaly ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana ny ankizy amin’ny aretina kitrotro sy lefakozatra ho an’ny faritra 23. «Nohamafisina ny paikady ka naverina indray ny fitetezana tokantrano, ny faran’ny herinandro teo, hatrany amin’ny efitrano fiangonana efa nanaiky ny fiaraha-miasa tamin’ny ekipa mpanao vaksiny, hoy ny mpitsabo lehiben’ny CSB II Tsarasaotra, […]

EPP Ankadinandriana: nisitraka fanampiana avy amin’ ny Groupe Andriantsitohaina

Nanatanteraka asa sosialy teo anivon’ny Sekoly am­baratonga fototra (EPP), tetsy Ankadina­ndriana ny Groupe Andriantsito­haina Media (GAM), omaly maraina. Na­hitana fitaovam-panoratana, kahie 500 isa ny tolotra. Nisitraka ny tolotra ireo mpianatra 309, indrindra ny kilasy T4 sy T5 eo anivon’ity sekoly ity. “Hetsika nanehoana ny fahavononan’ny vondrona GAM ha­nampiana ny sehatry […]

Madagascar 3M: maro ny fiangonana lasa mivaona amin’ny fitorian-teny

Hanatanteraka hetsika iraisam-pirenena amin’ny toriteny maneho ny hevitry ny Baiboly ny Madagascar 3M ny 6 ka hatramin’ny 9 novambra izao, eny By-Pass. Fotoana hampahatsiahivana ireo mpitondra fivavahana sy mpiantsehatra amin’ny fitorian-teny mba hiainga amin’izay voalazan’ny Baiboly ary hanasinkasinana ny tenin’Andriamanitra. Lohahevitra voizina ny “Fiangonana Salama ka ao anatin’izany no hanoritsoritana […]

Rano tsy madio: Mirongatra ny aretin-kibo

Anisan’ny aretina mpahazo ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao, tato anatin’ity volana oktobra ity, ny aretin-kibo antsoina hoe: « gastro-entérite », raha ny fanazavan’ny mpitsabo iray etsy Analakely nanontaniana. Aretina mahazo ny tsinay sy ny vavony ary azo avy amin’ny fisian’ny viriosy sy katsentsitra izy io, amin’ny ankapobeny. Antony mahatonga izany […]