Fiaraha-monina

Fanabeazana sy kolontsaina : mamolavola olom-banona sy vonona

Mifameno sy mifampiankina ny kolontsaina sy ny fanabeazana, araka ny fanazana nentin’Andrianamelasoa Fahombia­zana, mpanabe sy mpitarika tanora. “Nohariana hanana vatana saina fanahy ny olombelona. Tombony kosa ny fananantsika fivelanran-tsaina bebe kokoa. Ny fanabeazana dia manondro ireo dingana arahina hahazoan’ny olona fahalalana, fahaiza-manao, soatoavina sy fahaiza-miaina. Sehatra famolavolana olona hahaleo tena […]

Fampianarana teknika: mila fanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny tolotra fampiofanana

Efa antitra ny fotodrafitrasan’ny sekoly fampianarana sy ny fanofanana teknika. Mila fanavaozana sy ampanarahana fenitra izy ireny hamaly ny filan’ny sehatr’asa amin’izao fotoana. Mikaondoha momba izany ny mpiara-miombon’antoka. Nihaona tetsy Anosy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra miantsehatra eo amin’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa, omaly. Nikaondoha mahakasika ny fampandrosoana ny fampianarana […]

MECC – World Cup : nahazo tohana avy amin’ ny Filatex i Cédric Morgan

Tanora malagasy tokana tafita hiatrika ny famaranana momba ny Microsoft Excel Collegiate Challenge (MECC) hatao any Las Vegas, ny fiandohan’ny volana desambra 2024 ho avy izao, i Cédric Morgan Rasolofo. Nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex énergies izy amin’izao fiatrehany ity fifaninanana ity. «Ny vondrona Filatex amin’ny alalan’ny Filatex énergies […]

Toamasina : sarona ireo mpanapoka solika

Miverina indray ny solika mitapoka. Miisa 24 mianadahy ireo ahina ho nanapoka solika anjatony litatra. Maro ireo nametraka fitarainana tato anatin’ny volana vitsy fa simba ny fiara vokatry ny haratsian’ny solika. Fantatra aorian’ny fanamboarana ny fiara fa nandrotsahana solika mitapoka ny fiara na moto iray nisedra olana. Nametraka fitarainana ireo […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, ny vaomiera sosialy ao amin’ny Antenimierandoholona. Votoatin’ny fihaonana ny fanirian’ireto mpitsidika hananganana Oniversite mahaleotena sy manakaiky vahoaka ao amin’ny distrikan’i Farafangana. Nampahafantatra ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby, fa ny 15 hatra­min’ny 21 oktobra […]