Efa nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinana bakalorea, eto Antananarivo. Misy ny lamina vaovao, araka ny naoty avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Naparitaka amin’ny mpiandraikitra ny foibem-panadinana izany fa tsy azon’olon-kafa ivelan’ny mpiadina sy ny mpikarakara rehetra idirana ny toeram-panadinana manomboka izao. Toy ny taranja […]
Fiaraha-monina
Fizaham-pahasalamana: fiarabe 14 ho an’ny tapany avaratra sy andrefan’ny Nosy
Hianandrefana sy hinavaratra ny fiarabe , manao fizaham-pahasalamana maimaimpoana. Tanjona amin’ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka ny hanome fitsaboana sy fitiliana miaraka amin’ny fanafody tsy hialam-bola ho an’ny distrika 119. Niainga omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea, Mahamasina ny Caravane médicale hihazo ny tapany avaratra sy andrefan’ny Nosy. Maharitra roa herinandro izany, […]
Fampianarana : ho avy ny fitaovana ho an’ny sekoly
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fandraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ny fampidirana ireo fitaovam-pampianarana hozaraina ho an’ireo sekoly any amin’ny faritra Androy. Fanomezana avy amin’ny «Fondation Global Communities», tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa «Mianatra» […]
Volana jona : omena sehatra haneho hevitra ny ankizy
“Antoky ny hoavy mamiratry ny ankizy ny anio”. Io no lohahevitra ho fanamarihana ny iray volan’ny ankizy amin’ity volana jona ity. Nitondra teny fiarahabana ho an’ny ankizy rehetra manerana ny Nosy ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soafilira Princia. Fotoana hampahafantarana ny zon’ny […]
Sampana Fanantenana -FPVM : « Varavarana hidiran’ny tanora amin’ny zava-mahadomelina ny sigara »
Nisafidy ny dihy mirindra sy ny tantara an-kira ny tanora mivondrona ao amin’ny sampana Fanantenana, eo anivon’ny fiangonana FPVM Antaninanandrano, hanairana sy hanentanana ny tanora sy ny daholobe momba ny voka-dratsin’ny fifohana sigara. Teny Analakely izy ireo no nanao ny hetsika, ny alarobia lasa teo, izay Andro iraisam-pirenena natokana tsy […]