Fiaraha-monina

Fandraharahana sy fifanakalozana ara-barotra : Mampandroso ny toekarena ny fidirana ao amin’ny Ohada

Fikambanana mamolavola lalàna mifehy ny fandraharahana sy ny tontolon’ny fifanakalozana ara-barotra ary manampy ny firenena mpikambana amin’ny fampandrosoana ny toekareny ny Ohada. «Lalàna mamaly ny filan’ny mpandraharaha ara-toekarena nefa mitondra tombontsoa ho an’ny firenena koa», hoy ny sekretera maharitry ny Ohada, Pr Mayatta Ndiaye. Mana­tanteraka atrikasa hanamafisana fahaiza-manao amin’ny fanoratana […]

INDRAY MIJERY

Vita, ny faran’ny herinandro teo, ny fanolorana ireo « malette pédagogique spéciale autisme » ho an’ ireo sekoly miisa dimy ao amin’ny faritra Anôsy. Fitaovana manaraka ny fenitra entina hanabeazana sy hitaizana ary hampivoarana ireo ankizy hafakely rehetra izany. Sekoly manokana na “école spécialisée” ary sekoly mampiaty na “inclusive” no notolorana ity […]

Nandravarava ilay rivodoza Chido: Sahirana amin’ny sakafo sy rano ny Mahorais

Nitarika fivoriana manokana momba ny zava-misy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Chido tany Mayottes, ny filoham-pirenena frantsay, Em­manuel Macron, omaly, tany Frantsa. Sahirana amin’ny sakafo sy rano ny tomponandraikitra any an-toerana izay manahy fa havesatra ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny tanjak’ilay rivodoza Chido, araka ny fanambaran’ny prefet. Mitohy ny […]

Toamasina : Nahazo fotodrafitrasa ny Institut Confucius

Nitokana fotodrafitrasa maromaro tao amin’ny Oniver­siten’i Toamasina ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Chaminah Loulla, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eny amin’ny Anjerimanontolo, ny faran’ny herinandro teo. Nisy ihany koa ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo boky 800 baoritra, azo avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Oniversiten’i […]

Ankatoky ny fety : hentitra ny fitsirihana fiarakodia ao Mahajanga

Ankatoky ny fety. Hentitra ny tomponandraikitra amin’ny fampanarahan-dalàna ireo fiara fitaterana. Nanaovana fitsirihana manokana ny tany Mahajanga, izay toerana be mpandeha rehefa fety. Nanao tanamaro ho amin’ny fanaraha-maso ireo fiarakodia mifavezivezy eny amin’ny arabe, ny faran’ny herinandro teo, ireo tomponandraikitra any an-toerana. Nitarika izany ny DGSR, ny DIRTM Boeny/Melaky, ny […]