Fiaraha-monina

CUA : notokanana ny birao vaovao eny Antsahabe

Nahazo biraom-panjakana vaovao ny eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra, eny Antsa­habe. Tonga nitokana izany teny an-toerana ny ben’ny Tanà­nan’Antanana­rivo Renivo­hi­tra, Andrian­tsitohaina Naina, sy ny Filo­han’ny fi­lankevitra mo­nisipaly, Rali­tera Andriam­pa­rany, omaly. “Natokana hi­asan’ny de­partemanta mi­­sahana ny fananan’ny kaominina io birao vaovao io ary hahafahana mifanerasera amin’ ny mponin’ Anta­­na­narivo”, hoy ny ben’ ny […]

CHU SSPA: nitombo ny olona tratran’ny fahakivian-tsaina tanteraka

Hopitaly mahavantana ny olona ny CHU SSPA eo Analakely. Manana sampana misahana ny fahasalaman’ny saina izy ireo. An-jatony isan-taona ny olona tonga manatona. Mampiavaka ny CHU SSP Anala­kely ny sampana ho an’ny fahasalaman’ny saina. Manome fitsaboana sy fandraisana an-tanana ary fanohanana ara-tsaina ireo olona manana olana ara-tsaina, midoroka zava-ma­hadomelina, olona mifanintona… […]

Vaky boky faobe : antoky ny fampandrosoana ny firenena

Tontosa omaly, teny amin’ ny Esca Antanimena ny hetsika “Vaky boky faobe ankalamanjana”. Nokarakarain’ny sekoly Esca sy ny vondron’ny ray aman-drenin’ny mpianatra (Vrm). Nisitraka izany ny mpi­anatra 3098 niaraka ta­min’ny mpampianatra, sy mpandraharaha, ary ny solontenan’ny ray aman-dreny eto Antananarivo. “Tsy misy firenena mandroso raha tsy tia mamaky boky ny […]

Fampianarana teknika : 84%-n’ ny mpianatra niharan’ny fanararaotana ara-nofo

Hifarana anio ny hetsika fanentanana ho fanoherana ny herisetra ara-nofo eny anivon’ ny toeram-piofanana teknika, notanterahina nandritra ny hateloana, tany Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Trade for decent work izay karakarain’ny sampandraharahan’ny Organisation international de travail (OIT) ho an’i Madagasikara, Como­res, Maurice ary Seychelles iza­ny. Mamatsy vola ny hetsika ny […]