Fiaraha-monina

Antanimora : mianatra teny vahiny ny voafonja

Manohana ny tanora mifonja eny Antanimora ny tetikasa «Tohanako». Tarigetra ho azy ireo ny hamolavola ara-tsaina sy ara-tsakafo, ary hisehatra amin’ny fanabeazana ho an’ireo voafonja. Nanolotra fanampiana ara-tsakafo sy masomboly izay ilaina, indrindra ho an’ny toeram-pamonjana ny tetikasa. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, ny herinandro teo, ny fampianarana teny vahiny ao […]

Toeram-pitsaboana : tokony hitovy ny fandraisana an-tanana ny marary

Mikendry hatrany ny hanatsara ny sehatry ny fitsaboana ny fanjakana. Indrindra eo amin’ny fandraisana an-tanana ny marary eny amin’ny tobim-pahasalamana. Izay marary andrianina! Izany indrindra no anton’ny fandrafetana ny fomba fiasa iraisana amin’ny fomba fandraisana marary eny anivon’ ny tobim-pahasalamana izay nataon’ireo misehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka. Maneho fahavononana […]

MFFT sy ny masoivohon’i Frantsa: hatsaraina ny tolotra ho an’ny vahoaka eny ifotony

Miezaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony (INDDL), manohana ny kaominina. Notontosaina nandritra ny telo andro, tany Antsirabe, ny fanofanana ho amin’ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra eny anivon’ ny kaominina. Niompana tamin’ny fitantanana ny sora-piankohonana. […]

Aretina bilarziozy na takilodrano: hatsaraina ny ady atao eto Madagasikara

Nisy ny atrikasa natao tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly, nandinihina ny hana­tsarana ny ady atao amin’ny aretina bilarziozy na takilo­drano. Hetsika niarahan’ny Institut Bernhard Nocht de médecine tropicale (BINMT) avy any Hambourg sy ireo oniversitem-panjakana eto an-toerana mpiara-miombon’antoka aminy. Anisan’ny firenena ahitana bilarziozy betsaka i Madagasikara. Ahitana izany avokoa ireo disitrika 107 […]