Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Ho fitandroana ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra Menabe, ho fanomezana fahazai-manao ireo Tanora Aron’ny Vahoaka (TAV) miisa 3 173 sy ny vahoakan’i Mahabo miisa 2 679, natomboka ny faran’ny herinandro, tao amin’ny distrikan’i Mahabo, ny fampiofanana. Hiarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana manatanteraka. […]

CNELA 50 taona: mpianatra 155 notolorana mari-pahaziana

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Ivon­toerana nasionaly mampianatra ny teny anglisy (Cnela), nisy ny fizarana mari-pahaizana teny amin’ny Espace Rose By-pass, ny herinandro lasa teo. Mpianatra 155 nahavita fianarana ny taona 2024 no notolorana izany. Ivontoeram-pampianarana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fam­pia­narana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Cnela. Ahitana […]

Rivodoza Chido: Tsy namela takaitra ho an’ny mponina

Tsy misy ahina intsony ny fiantraikan’ilay rivodoza Chido amin’ny toetry ny andro an-tanety eto Madagasikara, nanomboka ny sabotsy lasa teo, araka ny fanazavana avy amin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy naharay fanambarana fahasimban-javatra ny teny anivon’ny BNGRC hatramin’ny faran’ny herinandro, araka ny tatitra navoakany fa misy kosa ny […]

Hivory ny mpisehatra voakasika : hotombanana ny fandaharanasa ho an’ny fanabeazana

Sady hanombana ny asa rehetra vita ho an’ny fanabeazana nandritra ny taona 2018-2023 ny mpivory no hamolavola ny drafitrasa vaovao hifanaraka amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafitry ny fanabezana (Losem). Hotontosaina eny Ivato ny tombana momba ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE) nampiharina ny taona 2018-2023, teto […]

Oniversiten’Ankatso : Mpianatra 240 navoaka tamin’ ny fomba ofisialy

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy sy notolorana ny mari-pahaizana « Master2 » teny anivon’ny fakiolten’ny Siansa, Oniversiten’Ankatso afakomaly ireo mpianatra. Manodidina ny 240 teo ho eo izy ireo, izay nanaraka ny lalam-piofanana Physique-Chimie, Science naturelle ary Mathématiques. Fanamby goavana ataon’izy ireo ny fanomanana ny «doctorat ». « Mbola voalohany ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy tahaka […]