Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina, Rakotonirina Miarisoa Patricia, omaly, fa manambady alohan’ny faha-18 taonany ny 40%-n’ny ankizivavy malagasy. Efa mipetraka any amin’ny faritra Anôsy sy Androy ny fady na karazana dina amin’io fampanambadiana aloha loatra ny ankizivavy io. Hentitra ny amin’ny fanajana io fady io, araka izany, ny fiarahamonina satria […]
Fiaraha-monina
Antananarivo Renivohitra : nitsidika ny tsena Andrianjaka ny ben’ny Tanàna
Tonga nitsidika ny tsena Andrianjaka, eny Isotry, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. «Ahitana karazan’entana ilaina amin’ny andavanandro eny an-toerana”, hoy ny delegen’ny mpivarotra, Rakotonarivo Frédéric Désiré. Anisan’izany, ny mpivarotra lamba, hani-masaka, momba ny fahasalamana, vy, brocanteur, hazo, contreplaqué… Mampiavaka ny tsena eny ny fisian’ireo mpanamboatra sy mpanakalo entana […]
Manampy amin’ny fiverenana eny anivon’ny fiarahamonina : nohavaozina ny ivontoeran’ny fitsaboana ara-javakanto-CHU Anjanamasina
“Dingana ilaina amin’ny fitsaboana ny fahasalaman’ny saina ny fitsaboana ara-javakanto. Manampy betsaka ny olona avy nanaraka fitsaboana teny amin’ny CHU, misahana ny fahasalamana ara-tsaina, Anjanamasina, hiomana hiverina eny anivon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina izany”, hoy ny talen’ny hopitaly CHU Anjanamasina, dokotera Rahanitrandrasana Esther Odile, omaly, teny an-toerana. Nohavaozina ny ivontoerana […]
Ady amin’ny lefakozatra : zaza 215 vita vaksiny tao Andodabe
Fokontany Ambalatenina avaratra, kaominina ambanivohitra Andodabe no nanatanterahan’ny governora, Rafidison Richard Theodore, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny faritra Atsinanana ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny lefakozatra ho an’ny ankizy latsaky ny 5 taona, ny herinandro teo. Nanamafy hatrany ity tomponandraikitra voalohany ny fampandrosoana ato anatin’ny faritra Atsinanana ity fa ilaina […]
Css, 30 taona… : nahazo mari-pankasitrahana ny mpiasa
Nofaranana teny Ambatomaro, ny sabotsy teo, ny herinandro fankalazana ny faha-30 taonan’ny ivontoeram-pitsaboana (CSS) Avaradoha. Notolorana mari-pankasitrahana tamin’izany ireo mpiasa 24, naharitra sy nahatoky teo anivon’ny orinasa. Nahazo ny « Ordre national » ny efatra tamin’izy ireo, nahazo ny « Ordre de mérite » ny iray, nahazo ny « Médaille de travail » ny fito ary […]