Fiaraha-monina

Tsarasaotra-Antsofinondry: mikojakoja ny lalana pavé ireo kaominina manodidina

Ifarimbonan’ny kaominina 4 ny fikojakojana ny lalana eny Tsarasaotra-Antsofinondry. Manatanteraka izany izy ireo ankehitriny. Saropiaro amin’iny lalana iny ihany koa ny kaominina ka ho hentitra amin’ny fanasaziana ireo minia manimba izany. Taorian’ny fidinan’ny governoran’Analamanga teny amin’ny lalana pavé mampitohy an’i Tsara­saotra sy Antsofinondry dia midina nanatanteraka ny fi­kojakojana iny lalana […]

Fampianarana ambony : afaka mampiato ny fifanarahana ireo mpampianatra «vacataire»

Niato, nanomboka oma­ly, ny fampianarana ataon’ ny mpampianatra an-tselika eny amin’ny oniversite sy ny IST. Manoloana izany, na­ma­ly sy nitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fampi­a­na­rana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres). Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fampia­na­rana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres), omaly. Manasonia izany ny sekretera jeneraly, Salava Julien. Voalaza […]

Mpiadina BEPC : nisy fizaham-pahasalamana indroa

21 334 ny isan’ny mpiadina hanala BEPC, miatrika taranja adina ara-panatanjahantena eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Mitotaly 25 001 ny mpiadina rehetra amin’ity taona ity. Iray amin’ny foibem-panadinana ny kianjan’Ala­ro­bia, mandray ny mpiadina nanomboka afakomaly ha­tramin’ny zoma. 4 086 ny mpiadina hiatrika ny fanadinana ao amin’ny lycée Nanisana, CEG Nanisana sy ny CEG […]

Taranja fanatanjahantena : tokony hatrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC

“Taninketsan’ny fanatanjahantena avo lenta ny taranja fanatanjahantena any an-dakilasy ka tsy tokony hatao ambanin-javatra”, hoy ny mpampianatra fanatanjahantena eny amin’ny lycée Nanisana, Randrianarivo Falimanana Jacobson, omaly, teny Alarobia. Taranja iray ampianarina any an-tsekoly saingy tsy ampy ny fotodrafitrasa sy ny mpampianatra ary ny fiofanana azon’ny mpanabe. “Ma­nangana sekoly manara-penitra maro […]

Herinandron’ny paramédicaux : misy ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka

Nomarihina ny 5 mey lasa teo ny Andro maneran-tany ho an’ny mpitsabo mpanampy, nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny rasazy. Nizara fitaovam-piarovana ho an’ny mpitsabo mpanampy rehetra miasa ao amin’ny CSB Isotry Central ny fikambanan’ny paramédicaux eto Madagasikara (APM) satria zava-dehibe ny fiarovantena eo am-perinasa. «Mandritra ity herinandro […]