Nomarihina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Croix Rouge sy ny Croissant Rouge. Nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Croix Rouge Malagasy (CRM) izany. Marolafy ny hetsika nentina nanamarihana izany. Nisy ny fanomezan-dra maimaimpoana sy fizarana sakafo ho an’ireo tsy manan-kialofana sy mpatory an-tsena. Fotoana […]
Fiaraha-monina
Oniversiten’i Barikadimy : mandrahona ny PAT, masiaka ny Seces
Taorian’ny fitokonana faobe nataon’ny mpiasa “PAT” (Personnel administratif et technique de l’université de Toamasina) ny talata, alarobia ary ny zoma, somary nisinda kely izany noho ny fifampiresahana tamin’ny prefet Toamasina, Ambinintsoa Jean José sy ny filohan’ny oniversite, ny dokotera Razanakolona Diny ary ireo solontenan’ny mpiasa mitokona. Hisy solontena alefa hiakatra […]
Mandrangobato I: diovina ny lakandrano ao anatin’ny fokontany
Ataon’ny olona fanariana fako sy maloto ny lakandrano eny Anosibe. Nandray andraikitra hanadio izany ny eo anivon’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I, nanomboka omaly. Nodiovina, nanomboka omaly, ny lakandrano eny amin’ny arabe ao anatin’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I. Diovina avokoa ny lakandrano eo anelanelan’ny Villa Tahirisoa hatreny amin’ny lakandrano Andranolava. Maharitra […]
Afovoan-tany : handrahona sy hanerika
Hahazo vahana ny erika eto Antananarivo rahampitso sy ny alarobia, hidina kely koa ny maripana ka hahatratra 13°C ny ambany indrindra ary 24°C ny ambony indrindra. Hitohy handrahona eto afovoan-tany anio. Ho maina kosa ny toetry ny andro saika manerana ny Nosy, anio, ankoatra ny any Analajirofo sy Atsinanana, hahazo […]
Mpisehatra amin’ny taxi-ville : misy fivoriambe rahampitso
Nanao fanentanana ireo rehetra misehatra amin’ny taxi-ville ireo solontenan’ny mpisehatra amin’ny taxi rehetra eto Antananarivo Renivohitra ho avy amin’ny fivoriamben’izy ireo hotanterahina rahampitso, amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny kianja Mitafo Mahamasina. Araka ny nambaran’ireo solontenan’ny mpisehatra amin’ny taxi eto Antananarivo Renivohitra, zava-dehibe no hodinihina miaraka amin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra […]