Fiaraha-monina

Mpikaroka ao amin’ny CNRIT : nifehy ny fizaka-manana indostrialy

Anjaran’ireo mpikaroka ao amin’ny CNRIT indray no nisitraka fanamafisana fahaiza-manao, ny herinandro lasa teo, tao amin’ ny efitrano fivorian’ ny CNRIT. Tanjona ny hananan’ireo mpikaroka vao noraisina sy tranainy fahalalana ampy momba ny fizaka-manana indostrialy, sy ny lafiny haivao teknolojika ary ny fomba fiasa ara-kalitao eo amin’ny sehatry ny laboratoara […]

Covid-19 : nidina 17 ny tranga vaovao

17 ny isan’ny tranga vaovao Covid-19 voatily ho an’ny herinandron’ny 29 avrily ha­tramin’ny 5 mey, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka. Mihena ha­trany ny tranga vaovao amin’ny fitiliana 185 vita. Marary iray no ao anatin’ny tranga misy fahasarotana ary tsy nisy ny aina nafoy tao anatin’ny herinandro. 15 ny marary […]

Taranja OSE: niofana ny mpampiofana mpampianatra 54

Manao antso amin’ny minisitera mpiahy ireo mpitantana sekoly tsy miankina momba ny fanofanana ireo mpampianatra ao amin’izy ireo ho an’ny taranja vaovao rehetra. Niditra amin’ny fizarana faharoa amin’ny fampiofanana ireo mpampiofana mpampianatra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, tamin’ny alalan’ny foibem-pitondrana misahana ny fandaharam-pianarana sy ny fikarohana ara-pedagojia. Taorian’ny fiofanana nataon’izy ireo ny […]

Mamonjy aina ny fanasana tanana : afaka misoroka otrikaretina maro

“Miara-mientana isika, ndao hanasa tanana, satria mamonjy aina ny fanasana tanana”. Nomarihina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny fanasana tanana eny anivon’ny tobim-pahasalamana ka nanao hetsika koa ny teto Madagasikara. Ny 80%-n’ny otrikaretina azo eny amin’ny tobim-pahasalamana dia avy amin’ny tsy fanasan’ny mpiasan’ny fa­hasalamana, marary ary ny mpiandry marary tanana […]

Peace Corps : mpilatsaka an-tsitrapo 21 vita fianianana

Mpilatsaka an-tsitrapo 21 mianadahy indray no nahavita fianianana, omaly, teo anoloan’ny Mpanolotsaina voalohan’ny Ambasady ame­rikana, Tobias Gluck­s­man. Hanampy isa ireo efa eto an-toerana izy ireo hiantsehatra amin’ny asa sosialy any amin’ny toerana ambanivohitra. Miverina tsikelikely ny asan’ny Peace Corps ankehitriny, taorian’ny fampodiana faobe ireo mpilatsaka an-tsitrapo, vokatry ny valanaretina Covid-19, […]