Fiaraha-monina

Faritra Atsinanana : sakana amin’ny fanaovana vaksiny ny tsaho, ny fomban-drazana ary ny finoana

Nandritra ny fitsidihana natao tamin’ireo toerana manokana hanaovana vaksiny tao amin’ny faritra Atsinanana, amin’izao herinandron’ny fanaovam-baksiny aty Afrika izao no nahafantarana fa mbola manjaka ny tsaho ary miteraka tahotra ho an’ny olona izany ka manakana azy ireo tsy hazoto hanao vaksiny. Teny amin’ny fokontany dépôt, Premier Parcelle 21/41, Toa­masina, ny […]

Mihena ny fanaovam-baksiny: 200 ny tranga vaovao amin’ny poliomelita voatily

Nanomboka ny volana septambra 2020 ka hatramin’izao, 200 ny tranga voatily teto amintsika ary tsy ny ankizy madinika ihany no tratrany fa hatramin’ny tanora. Nahi­tana tranga iray niseho tamin’ ny olona efa 24 taona. Teto Antananarivo, amin’ny dis­trikan’Atsimondrano no naha­tiliana ny tranga farany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Unicef, […]

Haraton’aina : fandaharanasa telo manarina ny marefo

Tanterahina ao Toamasina, nanomboka omaly, ary haharitra 3 andro, ny herinandron’ ny haraton’aina, tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. He­tsika hanasongadinana ny tetikasa “Haraton’aina” sy fampahafantarana ny olona ny karazana tohana misy. Fiahiana ny mpiara-belona amin’ny alalan’ireo fandaharanasa 3 lehibe ny haraton’aina. Mamaly ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fi­tondram-panjakana amin’ny fanarenana ny fiainan’ny […]

Kaominina Antananarivo renivohitra: mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po

Tsy ara-dalàna ny fitantanana fotodrafitrasa eny anivon’ny boriborintany sasany eto Anta­nanarivo. Mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po amin’izany. Manampy amin’ny fanaraha-maso izany ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa, natao omaly. Vita omaly, tetsy amin’ ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpitan­tana “borne fontaine” sy “bloc sanitaire”. […]

Zava-mahadomelina : 7 mianadahy nahatrarana héroïne

Olona 7 mianadahy indray voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina tao Toamasina, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa ahitana mpivarotra io karazan-java-mahadomelina io ao an-toerana. Nanao ny paikady na­hafahana misambotra ireo mpidoroka ireo ny polisy. Vokany, mpi­varotra rongony mahery vaika “heroïne” ny 3 tamin’ireo tra-tehaka. Mpi­do­roka ary efa miankin-doha tanteraka amin’io […]