Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Taorian’ny fahamaizan’ny tranon’ny fianakaviana 13 teny Ankasina, ny zoma lasa teo, natsangana ny tranoheva ipetrahin’ireo traboina. Niarahan’ny BNGRC sy ny kaomina Antananarivo Renivohitra ary ny Croix Rouge Malagasy izany. Niditra tamin’ny fanolorana fanampiana ny fitondram-panjakana. Samy nahazo vary, menaka,voamaina ary kojakojan-dakozia sy fitaovam-pianarana izy ireo. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo […]

VIH/Sida : mampitony ny saina ny fitiliana atao

Manohy ny fanentanana ny fandaharanasam-pirenena miady amin’ny IST/Sida (Pnlis). Ny fanaovana fitiliana ihany no antoka iray hamantarana fa tsy mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida ny olona iray. Zava-dehibe, araka izany, ny fanaovana fitiliana hahafantarana ny tokony hatao. Mampitony ny saina ny fahafantarana fa miiba ny fitiliana natao. Haha­fahana manamafy ny fiarovan-tena […]

Manerana ny Nosy : ho maina ny andro

Tsy hisy tranga miavaka mety hanova ny firafitry ny toetry ny andro eto Madagasikara, amin’ity herinandro ity, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy ho marin-toerana ny habaka manomboka ny faran’ny herinandro noho ny fandalovana rindrin-drahona manakaiky ny morontsiraka atsimon’ny Nosy. Hale­faka kosa ny tsiokan’ny varatraza alohan’izay fotoana […]

OIT-Minisiteran’ny Fampianarana teknika : hovelarina amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasa

Naneho fahavononana amin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny OIT, taorian’ny fihaonana teny Ampefiloha, omaly. Hovelarina amin’ny sehatra maro ny fiaraha-mia­san’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa miaraka amin’ny mpitarika vaovao ny minisitera, Rasoloarisoa Marie Marcelline, sy ny Organisation intertnationale du travail (OIT), […]

INDRAY MIJERY

Nihaona tany Taolagnaro, ny herinandro teo, ireo tomponandraikitra ao amin’ny Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo (Pam). Nanao ny tombana ny asa vita ho an’ny enim-bolana voalohany ta­min’ity taona ity izy ireo. Fotoana ihany koa nitsidihina ny toerana fitahirizana tsakafo any an-toerana. Nandritra ny fitsidihan’ny ekipan’ny mi­nisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tany Tsihombe- Androy, […]