Fiaraha-monina

Mitaky adidin’ny ray aman-dreny : mateti-piseho ny ankizy tsy misitraka zo hanana ny maha izy azy

Ankizy latsaky ny 18 taona avokoa ny maherin’ny 50% ny vahoaka malagasy. Mbola lavitr’ezaka ny fanajana ny zon’ny ankizy eto an-toerana na dia maro aza ny ezaka nataon’ny fitondram-panajakana sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra. Miseho amin’ny endriny maro samihafa ny tsy fanajana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara. Anisan’izany, ny hamaroan’ny herisetra […]

INDRAY MIJERY

Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ireo tomponandraikitra avy amin’ny orinasa Ambatovy, tamin’ity herinandro ity. Namaritana ireo sehatra azon’ny roa tonta iarahana miasa ny fihaonana. Anisany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tanora anatin’ny sahan’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Noresahina ihany koa ny fandraisana hiasa ireo teknisiana mivoaka […]

Mandritra ny fahavaratra : mihavitsy ireo mpandeha

Vitsy ny mpandeha mivezivezy manketo Antananarivo sy mankany amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny, amin’izao fotoana izao, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny mpitatitra tetsy amin’ny Trans Sava, Ambilanibe, omaly. Ha­haritra hatramin’ny fotoan’ny fahavaratra izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsy mahafeno fiara iray intsony ireo mpitatitra isan’andro, noho izany. Hisorohana […]

Fisitrahana fiahiana sosialy : hitarina amin’ireo mpiasa tena

Mazàna dia ny mpiasa eny anivon’ny orinasa hatrany no misitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Amin’izao fotoana izao, hahazo ny anjarany ihany koa ireo mpiasa tena. Misy ny atrikasa any amin’ny faritra Atsinanana, tamin’ity herinandro ity, ho fanatanterahana ny politikan’ny fitondrana, amin’ny alalan’ny ministeran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, hisitrahan’ny mpiasa […]

Nahomby ny hetsika fanaovam-baksiny: tratra ny tanjona, tafakatra 96% ny taham-pahavitana

Enina ny hetsika fanaovam-baksiny vita tamin’ity taona ity. Nisy ny vaksiny roa, miaro amin’ny poliomelita sy amin’ny kitrotro. Telo ny fanaovam-baksiny fanatrarana ireo ankizy tsy mbola nahavita fatra. “Midina eny amin’ny fiarahamonina ny mpisehatra. Tsara ny vokatra, niakatra ho 96% ny tahan’ny fahavitam-baksiny”, hoy ny minisitry ny Faha­salamam-bahoaka, ny profesora […]