Fiaraha-monina

Vaky boky faobe : antoky ny fampandrosoana ny firenena

Tontosa omaly, teny amin’ ny Esca Antanimena ny hetsika “Vaky boky faobe ankalamanjana”. Nokarakarain’ny sekoly Esca sy ny vondron’ny ray aman-drenin’ny mpianatra (Vrm). Nisitraka izany ny mpi­anatra 3098 niaraka ta­min’ny mpampianatra, sy mpandraharaha, ary ny solontenan’ny ray aman-dreny eto Antananarivo. “Tsy misy firenena mandroso raha tsy tia mamaky boky ny […]

Fampianarana teknika : 84%-n’ ny mpianatra niharan’ny fanararaotana ara-nofo

Hifarana anio ny hetsika fanentanana ho fanoherana ny herisetra ara-nofo eny anivon’ ny toeram-piofanana teknika, notanterahina nandritra ny hateloana, tany Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Trade for decent work izay karakarain’ny sampandraharahan’ny Organisation international de travail (OIT) ho an’i Madagasikara, Como­res, Maurice ary Seychelles iza­ny. Mamatsy vola ny hetsika ny […]

Eto Madagasikara : manambady aloha loatra ny 40%-n’ny ankizivavy

Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina, Rakotonirina Mia­risoa Patricia, omaly, fa ma­nambady alohan’ny faha-18 taonany ny 40%-n’ny ankizivavy malagasy. Efa mipetraka any amin’ny faritra Anôsy sy Androy ny fady na karazana dina amin’io fampanambadiana aloha loatra ny ankizivavy io. Hentitra ny amin’ny fanajana io fady io, araka izany, ny fiarahamonina satria […]

Antananarivo Renivohitra : nitsidika ny tsena Andrianjaka ny ben’ny Tanàna

Tonga nitsidika ny tsena Andrianjaka, eny Isotry, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsito­haina Naina, omaly. «Ahitana karazan’entana ilaina amin’ny andavanandro eny an-toerana”, hoy ny delegen’ny mpivarotra, Rakotonarivo Frédéric Désiré. Anisan’izany, ny mpivarotra lamba, hani-masaka, momba ny fahasalamana, vy, brocanteur, hazo, contreplaqué… Mampiavaka ny tsena eny ny fisian’ireo mpanamboatra sy mpanakalo entana […]