Fiaraha-monina

Fitsindronana zava-mahadomelina : ankizy 132 nosamborin’ny polisy nandritra ny volana avrily

Nirongatra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne,  rôrô, rongony…) tato ho ato. Mampalasa adala, mampiakin-doha, mahatonga tsy fandriampahalemana ary mampirongatra aretina maro (Vih sida…) izany. Loza mitatao ho an’ ny tanora ny fifohana sy fitsindronana zava-mahadomelina, raha ny zava-misy. Maro amin’ izy ireny no tratran’ny aretin-tsaina. Misy ny lasa olon-dratsy […]

JNE : Omena lanja ny fiarovana ny tontolo iainana

Hotanterahina eto Anta­na­narivo, ny 26 hatramin’ny 30 jolay ho avy izao, ny fihaonambe nasionaly ho an’ny ankizy (JNE), andiany fahatelo, eo anivon’ny fiangonana katolika. “Rankizy, andao hiara-dia hitory ny Vaovao mahafaly ho fanantenan’ny eglizy” ny lohahevitra. Vinavinaina hahazo ankizy 15000 (6 -14 taona) avy amin’ny diosezy 22 manerana ny Nosy […]

Taranja anglisy : manamafy ny traikefa ireo mpampianatra any atsimo

Manamafy ny traikefany, amin’ny fampianarana ny ta­ranja anglisy eny anivon’ny sekoly, ireo mpampianatra 25 mianadahy ao amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Amin’ny alalan’ny American English Training of Trainers (AE TOT) no hahafahan’izy ireo manao izany. Hianatra ny teknika vaovao fampianarana ny taranja anglisy hampiharina any an-dakilasy izy ireo, mandritra ny 4 […]

Hanafatra seringue fanaovana vaksiny ny fanjakana

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana seringue, 0,5ml sy safety box ho an’ny sampandraharaha misahana ny fandaharanasa momba ny vaksiny (Depev), eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka, ho an’ny taona 2023. Rehefa tsy misy seringue dia tsy misy […]

Zaikabe iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana : nodinihina manokana ny fampianarana ireo zazavavy

Notanterahina tao Londres, QE II (Queen Elizabeth II) Center Westminster London, ny zaikabe iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana, ny herinandro lasa teo. Nandray anjara tamin’izany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Sehatra iray fampivondronana lehibe indrindra maneran-tany natrehan’ireo minisitra maherin’ny 117 sy ireo mpisehatra avo lenta ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana […]