Fiaraha-monina

Andiany Aina : Polisy 302 nahazo fisondrotana galona

Notontosaina teny amin’ny Toby Contrôleur général de police Razafindrazaka Berthin, Antanimora, omaly, ny lanonana fametrahana galona « Agent de police de premier échelon » ho an’ireo agents de police nivoaka tamin’ny andiany Aina. Miisa 302 mianadahy izy ireo no nahazo izany galona izany. Ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny Contrôleur général de […]

komandin’ny CRGN Toamasina: midina an-tsehatra eny an-kianja

“Efa baikon’ny filoham-pirenena fa ny tomponandraikitra rehetra dia tokony hidina an-tsehatra eny ifotony, ho anay zandarimariam-pirenena dia mila tanterahina sy arahina ara-bakiteny izany. Ilaina ihany koa ny mankahery ireo zandary miantsehatra any anaty lalampasika rehetra any”, hoy ny kolonely Ralibera Faustino, komandim-paritany vonjimaikan’ny  zandarimariam-pirenena Toamasina. Efa misy rahateo fanatanterahana ny […]

INDRAY MIJERY

Nanatanteraka asa fanamboarana teo amin’ny tetezam-by Tanjombato, teboka halaviran-dalana PK 6+520, amin’ny lalam-pirenena faha-7, ny ekipan’ny fitaleavana misahana ny hamehana eo anivon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny alahady teo. Nosoloina ireo “tabliers” rovitra sy simba miisa 8. Nafindra ireo “tabliers” sola miisa 30. Teo ihany koa ny fanerena ireo “boulons” sy […]

Orange-« Supercodeurs » : nahazo fitaovana sy vatsim-pianarana ireo nandresy

Nifarana omaly, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano, ny fifaninana nasionaly “Supercodeurs” ao anatin’ny “Ankiz’Innov Vakansy 2024”, andiany faharoa. He­tsika niarahan’ny Orange Solidarité Madagascar niasa tamin’ny Unicef. Nahafahana nanome atrikasa teo amin’ny tontolon’ny teknolojia ho an’ireo ankizy mpianatra eny anivon’ny sekoly niomerika, nanerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Notolorana […]

Ady amin’ny famarinana olona : mitohy ny fampiofanana ireo tomponandraikitra

Manohy ny fampiofanana ireo tomponandraikitra mahakasika ny ady amin’ny famarinana olombelona ny Biraom-pirenena misahana ny ady amin’ny famarinana olona. Teto Antananarivo no nanombohana izany, ny volana aogositra lasa teo. Mpisehatra sosialy mifandray sy misahana akaiky ireo olona tena iharan’ny famarinana miisa 22 no nisitraka izany fiofanana izany. Nahitana ny avy […]