Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Nampahatsiahy ny tetiandrom-pampianarana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hahafahan’ny mpianatra mahafantatra ny fandaharam-potoana. Ny 9 septambra izao no hanomboka ny fampianarana andiany voalohany ary mifarana any amin’ny 25 oktobra any. Ny 4 novambra indray izany no mitohy hatramin’ny 20 desambra…. Nandritra ny fitsidihana nataon’ny fanjakana no nahitana fa efa madiva ho vita […]

Lalàna vaovao momba ny asa : manaraka fiofanana ireo mpiantsehatra

Anjaran’ireo mpisehatra amin’ ny lalànan’ny asa, miisa 27, eto Antananarivo indray no nisitraka ny fiofanana momba ny lalàna vaovao mi­fehy ny asa, laharana 2024-014, tamin’ny 14 aogositra 2024, tamin’ity herinandro ity. Andiany voalohany ny fampiofanana nahitana ny Inspec­teurs sy Contrôleurs du Travail. Maro ny zava-baovao sy ny fanatsarana entin’ity lalàna […]

Oniversite Mahajanga : nohenoina ireo mpianatra

Nihaona mivantana tamin’ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra rehetra ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Nihaino ny hetahetan’ireo mpianatra ny minisitra, mba ho fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony. Anisan’izany ny fangatahana “wifi” sy ny trano fonenan’ny mpianatra ary ny fampiakarana ny vatsim-pianarana […]

Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa: miankina amin’ny filan’ny tanora ny fiofanana omena

« Hevitra Hafa », tetikasa hanangonana ny fanirian’ny tanora amin’ireo tolotra fiofanana tiany omena azy. Miainga amin’ny tanora mihitsy ny hevitra ka ny fanjakana no manofana. Natao, omaly, tetsy amin’ny Tranompoko­no­lona Isotry ny fakan-kevitra tamin’ireo tanora sy ireo manana hetaheta mahakasika ny fanofanana arakasa tiany hohamafisina hahafahany mampiakatra ny fahaiza-manaony. Nanokatra fahafahana […]

INDRAY MIJERY

Tanora mpianatra miisa 10 000 no nisitraka fanentanana momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida, nandritra ny fidinana teny amin’ ireo Oniversite, tamin’ireo renivohi-paritany 3 : Antananarivo, Mahajanga ary Toamasina. Nisy fanaovana fitiliana ny tsimokaretina maimaimpoana ankoatra ny fanentanana. Hitohy amin’ny Oniversite hafa ny fanentanana. Manomboka miditra an-tsekoly ireo mpianatra ho […]