21 334 ny isan’ny mpiadina hanala BEPC, miatrika taranja adina ara-panatanjahantena eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Mitotaly 25 001 ny mpiadina rehetra amin’ity taona ity. Iray amin’ny foibem-panadinana ny kianjan’Alarobia, mandray ny mpiadina nanomboka afakomaly hatramin’ny zoma. 4 086 ny mpiadina hiatrika ny fanadinana ao amin’ny lycée Nanisana, CEG Nanisana sy ny CEG […]
Fiaraha-monina
Taranja fanatanjahantena : tokony hatrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC
“Taninketsan’ny fanatanjahantena avo lenta ny taranja fanatanjahantena any an-dakilasy ka tsy tokony hatao ambanin-javatra”, hoy ny mpampianatra fanatanjahantena eny amin’ny lycée Nanisana, Randrianarivo Falimanana Jacobson, omaly, teny Alarobia. Taranja iray ampianarina any an-tsekoly saingy tsy ampy ny fotodrafitrasa sy ny mpampianatra ary ny fiofanana azon’ny mpanabe. “Manangana sekoly manara-penitra maro […]
Herinandron’ny paramédicaux : misy ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka
Nomarihina ny 5 mey lasa teo ny Andro maneran-tany ho an’ny mpitsabo mpanampy, nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny rasazy. Nizara fitaovam-piarovana ho an’ny mpitsabo mpanampy rehetra miasa ao amin’ny CSB Isotry Central ny fikambanan’ny paramédicaux eto Madagasikara (APM) satria zava-dehibe ny fiarovantena eo am-perinasa. «Mandritra ity herinandro […]
Croix Rouge Malagasy : nankalaza ny faha-60 taonany
Nomarihina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Croix Rouge sy ny Croissant Rouge. Nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Croix Rouge Malagasy (CRM) izany. Marolafy ny hetsika nentina nanamarihana izany. Nisy ny fanomezan-dra maimaimpoana sy fizarana sakafo ho an’ireo tsy manan-kialofana sy mpatory an-tsena. Fotoana […]
Oniversiten’i Barikadimy : mandrahona ny PAT, masiaka ny Seces
Taorian’ny fitokonana faobe nataon’ny mpiasa “PAT” (Personnel administratif et technique de l’université de Toamasina) ny talata, alarobia ary ny zoma, somary nisinda kely izany noho ny fifampiresahana tamin’ny prefet Toamasina, Ambinintsoa Jean José sy ny filohan’ny oniversite, ny dokotera Razanakolona Diny ary ireo solontenan’ny mpiasa mitokona. Hisy solontena alefa hiakatra […]