Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Ho fanatsarana ny fanaraha-maso ireo valanaretina, nisy ny fiofanana ho an’ireo “épidémiologiste de térrain” hiantsehatra ifotony mandritra ny fotoanan’izany. Andiany fahefatra ny fampiofanana. Tanjona ny hampitombo ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny vanim-potoan’ny valanaretina isaky ny distrika. Hivoaka afaka telo volana ireo mpiofana ireo ary hisehatra eny amin’ny distrika misy azy avy […]

Hiofana sy hiasa : Malagasy 14 ho any Japon

14 ny Malagasy handeha ho any Japon. Dimy amin’ireo nisitraka vatsim-pianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Kolontsaina, Fanatanjahantena, Siansa sy teknolojia japonais. Hianatra ny teny japonais kosa ny efatra ary misy hanaraka ny fandaharanasa momba ny fanofanana mpampianatra. Ha­naraka fiofanana ny teny japoney mandritra ny valo volana ny mpiasa avy amin’ny […]

Faritra Sava- USAID Access: nahomby ny fanatsarana ny kalitao ara-pahasalamana

Nanao tantsoroka teny ifotony, nitondra fanovana sy fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana, ny fandaharanasa Access. Fahavitan-tena sy fitazonana izany kalitao izany no andrandraina amin’ireo nisitraka ny fanohanana. Notanterahina tao Antalaha, ny alakamisy teo, ny tomban’ny ezaka nataon’ny fandaharanasa USAID Access tao amin’ny faritra Sava, mahakasika ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana […]

INDRAY MIJERY

Niakatra ho 821 250 ny tokantrano hisitraka ny tohana ara-bola “Tsimbina” raha noheverina ho 657 000 teny am-panombohana ny tetikasa. Ho an’Anta­nanarivo Renivohitra, mahatratra 150 000 ny tokantrano hisitraka ny 200 000 Ar, izay atao indroa mandoa amin’ ny mobile money. Tokantrano 522 759 no efa nahazo ny anjarany ho an’ny faritra maromaro. Hitohy […]

Parcours Médiations et Management Culturel : nanao fanadiovana faobe teny Ankatso

Mpianatra L3, mahatratra 62, ao amin’ny Parcours Média­tions et Management Culturel, amin’ny Mentions Études Françaises et de la Franco­phones, Oniversiten’Antana­narivo, no nanao fanadiovana faobe anatin’ny faritry ny oniversite, nanomboka omaly. Tafiditra anatin’ny module Médiation de développement local ny asa fanadiovana sady fanentanana ny mpianatra rehetra hifandrimbona hanatsara ny tontolo manodidina […]