Fiaraha-monina

Mpivarotra fanafody tsy ara-dalàna : manao fitsirihana ny fanjakana

Manao fitsirihana ireo fivarotam-panafody manerana ny Nosy ny fanjakana. Tsy handefitra amin’ireo mivarotra fanafody tsy nahazoana alalana izy ireo. Tra-tehaka ny fivarotam-panafody iray tao Ampefy. Nandritra ny fidinana tany Ampefy, distrikan’i Soa­vi­nandriana, Faritra Itasy, ny faran’ny herinandro teo, nanaraha-maso ny tontolon’ny fahasalamana any an-toerana no nahatraran’ny ekipan’ny minisiteran’ny Faha­sala­mam-bahoaka notarihin’ny […]

Fiatrehana rivodoza – MAROANTSETRA: Novolavolaina ny paikady

Araka ny voafaritra ao anatin’ireo voka-panadihadiana nataon’ny mpikaroka sy ny manampahaizana manokana, anisan’ireo distrika voasokajy ho tena marefo manoloana ny mety ho fitrangan’ny loza entin’ny rivodoza sy ny tondradrano i Maroantsetra. Noho iza­ny, noheverina fa tokony hojerena manokana ny fanamafisana ny fahafaha-miatriky ny mpiantsehatra rehetra any an-toerana, hampiakarana ny traikefan’ny […]

Fampianarana ambony : Ampiana ny Oniversitem-paritra

Nandray voalohany ireo vondrona sy fikambanana mpisehatra amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Chaminah Loulla, tamin’ity herinandro ity. Nandritra ny dinika tamin’ireo solontena avy amin’ny Colléctif des professeurs des universités » notari­hin’ny Pr Rakotomanana Hajanirina, voaresaka ny fanatsarana […]

Nihena ny fanjifana boky : Sakana ny fotoana sy ny vola ary ny fandrosoan’ny teknolojia

Nihena ny fanjifana boky eto Madagasikara raha oharina amin’ny any ivelany, amin’izao fotoana izao. Anisan’ny mitaiza ny saina sy mampivoatra anefa ny fahazarana mamaky azy ireny. Nihena be ny fanjifana boky amin’izao fotoana izao eto Madagasikara, raha ny fanadihadiana natao. Tamin’ny fotoanan’ny fihibohana nandritra ny fisian’ny valanaretina covid-19 teto Mada­gasikara […]