Nanao fanambarana iombonana omaly, ny minisitera 5 voakasiky ny raharaha Dylan Thiry, ilay voalaza fa nanao fanondranan-jaza antsokosoko. Nisy ny horonampeo niparitaka teny amin’ny tambajotra sosialy izay niaingan’ny fanadihadiana. Vantany vao nitranga ny fiparitahan’ny horonampeo dia nanao fanadihadiana avy hatrany ny eo anivon’ny polisim-pirenena misahana manokana ny fivezivezena eny amin’ny […]
Fiaraha-monina
Tsy mbola ampy ny amperinasa eto amintsika : am-polony ireo rasazy mitady ravinahitra any ivelany
14 500 ny isan’ny rasazy voasoratra anarana ho mpikambana ao anatin’ny holafitry ny mpampivelona eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny holafitra, Ranoromalala Oméga, omaly teny Ivato. Tokony miditra ho mpikambana avokoa ireo mpianatra vaovao nahazo ny diplaoma licence, taorian’ny fianarana telo taona na Master raha mbola nanohy, araka ny voafaritry ny lalàna. […]
Tsy nandray karama 4 taona: hampiato ny fampianarana ireo vakatera amin’ny oniversite
Maro tamin’ireo mpampianatra vakatera eny anivon’ny ambaratonga ambony miankina amin’ny fanjakana ny tsy mbola nandray karama tao anatin’ny 4 taona. Manaitra ny sain’ny fanjakana izy ireo, noho izany, alohan’ny hampiatoana ny fampianarana. Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, teny Ankatso, ireo mpampianatra vakatera miasa eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo sy ny Seces, omaly. […]
Mpamonjy voina: miady amin’ny loza mety hahazo ny vahoaka
Nankalazaina omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpamonjy voina. Nampahafantarina ny rehetra ny asa sy ny andraikitr’ izy ireo nandritra izany. Nisy, araka izany, ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra, teny amin’ny tobin’ny mpamonjy voina Tsaralàlana sy Analamahitsy. Tanjona ny hampahafantarana ny mponina ireo andraikitra sy tsara ho fantatra rehetra […]
Fampiroboroboana ny fambolena : jerena ny voly mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro
Masomboly tsara kalitao misy ireo singa sy otrikaina mitondra fahasalamana sy mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro. Ireo no tanjona napetraky ny tetikasa Foodsec Semence entina hanatsarana ny seha-pambolena sy famokaran’ireo tantsaha. Anatin’ny fanatsarana ifotony ny lalam-pihariana famokarana sy ny fampitomboina ny mpamokatra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Misy, […]