Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny trano fisakafoana iray, any Morafeno ireo mpitarika ny vondron’ny mpiasa eo anivon’ny sendikan’ny Fisemare. Nitarika izany ny sekretera jeneraly nasionaly avy eto Antananarivo, Mananandro, sy ny sekretera jeneraly ao anivon’ny faritra Antsinanana, Dany. Anton’ny fihaonana ny nampiatoana ny asa famokarana sy ny […]
Fiaraha-monina
Bakalorea – Antananarivo: 54,88% ny taham-pahafahana ho an’Antananarivo
Nivoaka omaly ny valim-panadinana bakalorea 2024 ho an’Antananarivo. Tsy mifanalavitra loatra tamin’ny taham-pahafahana ny taon-dasa ny vokatra, satria mahatratra 54,88% ho an’ity taona ity. Ho an’ny sokajy Ose no manana taham-pahafahana ambony indrindra, ho an’ny fampianarana ankapobeny, 68,37%, ary ny sokajy A1 no ambany indrindra, 45,90%. Ho an’ny sokajy L: […]
Faritra atsimo Andrefana: Miasa ny 47,5%amin’ ireo famatsian-drano
47,5% amin’ireo famatsian-drano teo aloha, eo anivon’ny faritra Atsimo Andrefana, no mbola miasa, raha ny tatitra navoakan’ny teo anivon’ny Unicef. Voakasik’izany ireo distrika efatra, Betioky Atsimo, Ankazoabo, Beroroha ary Ampanihy Andrefana. Nahitana vovon-drano 446 ao Ampanihy, 226 ao Betioky, efatra ao Akazoabo ary iray ny ao Beroroha. Nanaovana fitsirihana manokana […]
Fandriampahalemana : mpisehatra fototra ny tanora
Nanamarika ny fivoriana iraisam-pirenen’ny skotisma, atao any Le Caire, ny nanoloran’ny Federasion’ny skotisma eto Madagasikara vahaolana hanohanana ny fandraisana anjaran’ny skoto amin’ny fanamafisana ny fandriampahalemana. Hifototra manokana amin’ny tanora izany. Nanohana an’i Madagasikara i Sénégal ary nahazo ny fankatoavan’ny mpivory rehetra ny tolo-kevitra naroso. Voalohany tao anatin’ny 100 taona izany […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny fiofanana mpanamora ny tari-dalana. Ho fampandraisana anjara ny ankizy sy ny tanora amin’ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny Dren Atsimo Andrefana, tanterahina ao amin’ny EPP Centre,Toliara I, nandritra ity herinandro ity, no natao. Mpampianatra avy amin’ny EPP sy CEG miisa 80, avy amin’ny sekoly 20, avy ao amin’ny Cisco […]




