Fiaraha-monina

Minisitry ny Mponina: Hijery manokana ireo olona marefo sy ny zokiolona eto amin’ny firenena

Tontosa, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitra mpisolo toerana sy ny minisitra vaovao. Laharam-pahamehan’ny minisitra vaovao ny hijereny manokana ny olona marefo sy ny zokiolona. Nanatanteraka fifamindram-pahefana sy fitantanana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina mpisolo toerana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, sy ny minisitra vaovao, Razafinjato Aurélie, omaly, tetsy Ambohijatovo. […]

INDRAY MIJERY

Tontosa tetsy amin’ny “Digital Center” Antaninarenina ny atrikasa momba ny fakan-kevitra nasionaly ho fanomanana ny fihaonambe maneran-tany momba ny fanabeazana, izay hotanterahina any Fortaleza Brésil, ny 31 oktobra hatramin’ny 1 novambra. Ny fanatsarana ny fanambarana ataon’ny Unesco no tanjon’ity fivoriambe ity. Nisy ny fifampizarana sy fampahafantarana ny fanatanterahana ny Tanjon’ny […]

Boriborintany faha-4: mpivady 9 nisitraka mariazy faobe

Nikarakara mariazy faobe ho an’ny mponina ao aminy ny etsy anivon’ny boriborintany fahefatra, omaly. Hetsika niaraha-nanatanteraka tamin’ny Fonds d’intervention pour le développement (Fid). Nisitra­ka izany ireo mpivady sivy, avy ao amin’ny fokontany Anka­­zotoho Anosimahave­lona, ao anatin’ny boriborintany fahefatra. Tanjona ny ha­ma­liana ny filan’ny mponina sy hahafahana manampy azy ireo hiditra […]

Toetr’andro : tombanana hibaliaka ny masoandro, anio

Tombanana hibaliaka ny masoandro, ho an’ny anio, eto afovoantany, satria hikisaka any atsimon’i Madagasikara ny rindrin-drahona, raha ny vaovao navoakan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro, omaly. Ahitana fiakarana goavana, araka izany, ny maripana ho an’ny eto afovoantany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy, mandritra izany. Tombanana hisy rotsakorana any amin’ny tendrony atsimon’i […]