Tanterahina ao Toamasina, nanomboka omaly, ary haharitra 3 andro, ny herinandron’ ny haraton’aina, tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. Hetsika hanasongadinana ny tetikasa “Haraton’aina” sy fampahafantarana ny olona ny karazana tohana misy. Fiahiana ny mpiara-belona amin’ny alalan’ireo fandaharanasa 3 lehibe ny haraton’aina. Mamaly ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana amin’ny fanarenana ny fiainan’ny […]
Fiaraha-monina
Kaominina Antananarivo renivohitra: mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po
Tsy ara-dalàna ny fitantanana fotodrafitrasa eny anivon’ny boriborintany sasany eto Antananarivo. Mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po amin’izany. Manampy amin’ny fanaraha-maso izany ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa, natao omaly. Vita omaly, tetsy amin’ ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpitantana “borne fontaine” sy “bloc sanitaire”. […]
Zava-mahadomelina : 7 mianadahy nahatrarana héroïne
Olona 7 mianadahy indray voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina tao Toamasina, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa ahitana mpivarotra io karazan-java-mahadomelina io ao an-toerana. Nanao ny paikady nahafahana misambotra ireo mpidoroka ireo ny polisy. Vokany, mpivarotra rongony mahery vaika “heroïne” ny 3 tamin’ireo tra-tehaka. Mpidoroka ary efa miankin-doha tanteraka amin’io […]
Tetikasa Tafaray : hojerena miaraka ny fahasalaman’ny olona sy ny biby
Tetikasa manaraka ny fitsipiky ny Fahasalamana iraisana (One health) momba ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny fahasalamana mifandraika amin’ny tontolo iainana ny tetikasa “Tafaray”. Tetikasan’ny fitondrana, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ary haharitra hatramin’ny taona 2026, ny “fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taona”. Hitsinjovana hatrany ny fahasalamam-bahoaka no tanjona ary […]
« Ny asako rahampitso »: manampy ny mpianatra hisafidy lalam-piofanana horantovina
Manampy ny mpianatra hisafidy ny sokajy sy ny lalam-piofanana horantovina eny amin’ny oniversite, ny fandaharanasa “Ny asako rahampitso”, raha ny fanazavan’ny proviseur eo anivon’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo Analakely, Rakotomalala Holy, raha nanontaniana, omaly. Andiany faha 15 ny hetsika, karakarain’ny Rotary club Ainga eto Antananarivo. “Tombony betsaka amin’ny fandaharanasa toy […]