Fiaraha-monina

FIHAONAMBEN’ny AFAFI-FET: nosokafana tamin’ny sorona masina

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, tany Antsiranana ny fihaonambe na­sionalin’ny fikambanana masina Afafi-Fet eo anivon’ny fiangonana katolika. Nanom­bohana izany ny sorona masina, notarihan’ny Arsevekan’ An­tsi­ra­nanana, Mgr Benjamin Marc Ramarson. Notronin’ny Evekan’Ambanja sy ireo Pretra maro avy amin’ny Dio­sezy maro eto Mada­ga­sikara. Tonga nanatrika izany ihany koa ny aumônier Nationalin’ny Afafi-Fet […]

METM : miatrika ny fihaonambe 2024 ireo diakona

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, androany maraina, any amin’ny fiangonana METM ziona maritiora Ankazobe ny fihaonamben’ny diakona eo anivon’ny fiangonana protestanta METM eto Madagasikara. « Arahina antsam-piderana maro samihafa izany androany hariva », hoy ny Révérend Docteur Randriamananjara Philibert, filohan’ny fiangonana METM, raha nampahafantatra ny hetsika. Fanao isaky ny roa taona ny fihaonambe. […]

Tetikasa FIOVANA: nanatsara ny velon-tenan’ireo tantsaha ny tantsoroka natao

Naharitra dimy taona tany amin’ny faritra Atsimo Antsinanana ny tetikasa Fiovana. Nitondra fiovana betsaka teo amin’ ny fiainan’ny tantsaha ny fanantanterahana azy io. Nofaranana, omaly, etsy amin’ny Novotel Ivan­dry ny tetikasa Fiovana naharitra dimy taona, izay notanterahina tany amin’ny faritra Atsimo Antsinanan’ny Nosy. Nahazahoana tantsoroka samihafa avy amin’ny USAID sy […]

INDRAY MIJERY

Nanao fanambarana ny Seces fa tokony handroso vahaolana voadinika tsara ny fahefana mpanatanteraka, mba hitondra filaminana sosialy maharitra ho an’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Efa nanome tolokevitra maro niainga avy eny ifotony ny sendikàn’ny mpampianatra ka tokony hiainga avy amin’izy ireny no handrafetana vahaolana. Momba ny toetry ny andro, eo anelanelan’ny […]

Fampianarana teknika: hiverina an-dakilasy ny 23 septambra

Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arakasa fa handray ny asany ny 9 septambra ho avy izao ireo mpandraharaha misahana ny sekoly sy ivontoeram-panofanana teknika manerana ny Nosy. Hiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2024-2025 no antony. Ny 16 septambra no hiverina any an-dakilasy ny mpampianatra, raha ny 23 septambra no […]