Fiaraha-monina

Bakalorea tao Mahajanga :niakatra ho 61,89% ny taham-pahafahana

Nivoaka ny valim-panadinana bakalorea 2024 ho an’ny Oniversiten’i Mahajanga, 61,89% ny taham-pahafahana ankapobeny, izay niakatra raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa 56,69%, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. 61,31% ny taham-pahafahana ho an’ny fampianarana ankapobeny. A1 : 58,55%, A2 : 56,43%, C : 69,05%, D : 81,79%, L : 62,39%, S: 47,69% ary […]

Sehatry ny fandriampahalemana: hamafisina ny fahaiza-manaon’ ny vehivavy eto Madagasikara

Mbola ambany ny taham-pandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Ilaina hamafisina ny fahaiza-manao mba hirosoan’izy ireo amin’io sehatra io. Nanomboka omaly hatramin’ny 22 aogositra izao, etsy amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano, ny atrikasa hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy. Ahitana ireo vehivavy mpandray anjara fototra amin’ny fandaharanasa mahakasika […]

Oniversiten’i Barikadimy: Diovina sy harenina ny tranon’ny mpianatra

Nohatsaraina ny fotodrafitrasa momba ny tranon’ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy. Naseho tamin’ny mpanao gazety izany, ny faran’ny herinandro teo. Mitaky ezaka maro amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa ny anjerimanontolo ao Barikadimy, araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana. Mba hisian’ny filaminana sy filaminan-tsaina ary fahasalamana eo amin’ny mpisehatra rehetra. Naseho tamin’ny mpanao […]

INDRAY MIJERY

Nidinika niaraka ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, Pr Randrianambinina Blanchard, sy ny praiminisitra teo aloha, Pr Mangalaza Eugène, ary ny minisitry ny Fampianarana ambony teo aloha, Dr Razafindehibe Etienne Hilaire, omaly. Fototry ny fihaonana ny tolo-kevitra hananganana laboratoara ho an’ny fikarohana sy ny fametrahana fakiolten’ny Haisoratra sy ny siansa maha olona […]

BIMTT : lavitr’ezaka ny fiandrianana ara-tsakafo

Tontosa tetsy amin’ny sekoly Masina Misely Ampa­ribe, ny faran’ny herinandro teo, ny fihaonamben’ny Birao ifandraisan’ny mpampiofana eo amin’ny tontolon’ny tantsaha (BIMTT), hivondronan’ireo mpampiofana eo anivon’ny fiangonana efa-tonta: Kato­lika, FJKM, Loterana ary Ang­likanina. « Mbola lavitra ny ezaka ho an’ny fiandrianana ara-tsakafo raha ny eto Mada­gasikara, manoloana ny olana goavana iainan’ny tantsaha […]