Fiaraha-monina

CUA- kaominina Ambohimangakely : niara-nanadio ny lalana “Rocade Iarivo”

Nisy ny fanadiovana faobe ny lalana “Rocade Iarivo”, nanomboka etsy amin’ny Rond-point Andranobevava, Nanisana, hatrany Ambohi­mangakely Amoronakona, omaly. Fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antanan­a­rivo Renivohitra sy ny kaominina Ambohimangakely no nahatontosana izany. Niaraka nifarimbona ny mpanadio lalana avy amin’ny kaominina roa tonta satria toerana itambarana iny. Nandritra ny fiaraha-miasa teny an-toerana, […]

BEPC- Cisco Atsimondrano : hanomboka ny 2 mey ny adina fanatanjahantena

Efa hiroso amin’ny fanatanterahana ny adina fanatanjahantena ny Cisco eto Antananarivo amin’ny herinandro ambony. Manana foibem-panadinana telo ny Cisco Atsimondrano, ho an’ny taranja fanatanjahantena adina BEPC, amin’ity taona ity: Andoharanofotsy, Faliarivo Ampitatafika ary Andranonahoatra. Hosanta­rina ny 2 mey ho avy izao ny fandraisana ny mpiadina eny amin’ny foibem-panadinana Andoharanofotsy ary […]

Rio Tinto QMM – FMFP : manome tosika ny tanora any amin’ny faritra Anosy

Nisitraka atrikasa fanatsarana ny fahaiza- manaony ireo tanora any amin’ny faritra Anosy, ny herinandro teo. Niompana tamin’ny indostria, asa maitso, toekarena manga ary nomerika ny fampiofa­nana. Tetikasa niarahana ta­min’ny mpiara-miombon’ antoka Rio Tinto QMM (QIT Madagascar Minerals) sy ny FMFP (Fonds Malgache de Formation Professionnelle). Nahazo vahana sy nomena lanja […]

Fahasalamana : mbola mamely amin’ny faritra maro ny tazomoka

Notanterahina tany amin’ ny faritra Melaky, omaly, ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka ho an’i Mada­gasikara. “Fotoana izao hanafoanana ny tazomoka, milofosa, mitadiava paikady vaovao, miasa” no lohahevitra novoizina nandritra ny fanamari­hana. Raha ny antontanisa na­voakan’ny minisiteran’ny Fahasalamana dia 543.994 ny trangana tazomoka tao anatin’ ny dimy […]

Fifaninanana tononkalo : mpianatry ny CEG 3 nahazo mari-pankasitrahana

Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ireo mpianatra 3 avy amin’ny CEG eto Antananarivo. Solon­tena avy amin’ny CEG etsy Analamahitsy, Antanimena ary Avaradoha izy ireo. Voa­fantina tamin’ny fifaninanana tononkalo manentana ny olona mba hanana fitondran-tena mendrika amin’ny fikajiana ny rano sy ny fahadiovana. Tonga nanolotra izany teny an-toerana […]